Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h58
 

Teny zato, kabary arivo

Antoko miala aina

lundi 21 mai 2007 |  129 visites  | Naivo kely

Anjakan’ny zarazarao hanjakana tanteraka ny antoko Arema ankehitriny, ka ireo misora-tena ho mpitarika ankehitriny, no zary mamafy ny poizina hahafaty ity antoko nanana ny lazany tany aloha ity. Nankalazaina ny faha 31 taonan’ ny antoko ny sabotsy lasa teo, ka ny iray teny amin’ny foibeny eny Soanieranana no nankalaizana azy, ary ny ankilany kosa tetsy amin’ny akany « Lovasoa » 67ha no natao. Ny hevitra dia saika nitovitovy, izay mitaky ny amoahana ireo mpanao politika nogadraina tsy misy antony, ary ny famelana malalaka ny hery rehetra haneho ny heviny momba ny fiainam-pirenena. Tsy diso anjara tamin’io, ny fiainana anatin’ny antoko izay samy naneho ny alahelony ny andaniny sy ny ankilany. Arakaraky ny hirosoan’ny taona tokony hahamatotra ny antoko no hisehoan’ny fivakisana ho any amin’ny fisaraham-bazana. Tsy efa tokony ho atao anatra ve ny nahazo ny antoko lehibe teto toy ny AKFM sy ny FANAVAOZANA, teo koa ny PSD, sy ny RPSD ka nanjary nisy RPSD vaovao ? Ny zava-misy anefa ankehitriny, dia tsy navelan’ny latabatra boribory tsy hikaon-doha momba izao zava-misy izao izy ireo, ka ny trano nialana taloha no zary hivoriana ankehitriny. Koa aoka tsy ho gaga isika raha ho maro ny antoko miala aina eto, satria ny hambom-po diso toerana no zary mamotika ny foto-kevitra nijoroana hatramin’izay. Dia samia mieritreritra, fa rehefa tsy eo tokoa ny mpamorona, dia zary anjakan’ny fahalovana ilay ron-doha nentina nanangana azy tany aloha. Sa tsy marina izany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS