Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 19h59
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy matotra

mercredi 16 mai 2007 |  158 visites  | Naivo kely

Gaga ihany ny rehetra raha nahita ny birao eo anivon’ny FFKM nandray ny antoko mpanohitra omaly teny Ivohipiraisana Ambohijatovo ambony omaly ; fa nankaiza no tsy hita nandray azy ireo ny filoham-piangonana efatra mirahalahy mpitarika ity fikambanana ity.

Raharaha goavana tahaka izao mitranga eto amin’ny firenena izao ve dia mbola solontena tsy mahatapaka ahitra no alefa hiara midinika ? Io no fanontaniana napetraky ny rehetra raha nahita ireto pasitera sy mompera nandray ny mpanohitra. Izany tsy midika fa maivana ireo olon’Andriamanitra ireo, fa ny toe-draharaha tahaka izao kosa ve mbola ilana solontena ? Tsy nilana ny fandadizan’ny mpanohitra amin’ny raiaman-dreny tahaka izao akory ny raharaha, dia efa tokony ho hita niseho sehatra ity FFKM ity amin’ny maha raiaman-drenin’ny mpino kristianina azy, kanefa efa misy ny nigadra sy naratra ary atahorana ny fifandrafesana eo amin’ny samy mpiray tanindrazana, koa mbola solon-tena ahoana no alefa hiara midinika tahaka izao ?

Raha ny teo amin’ny fitondrana ve no nangataka fihaonana, moa solon-tena ihany koa no nalefa ? Midika io amin’ny sarambaben’ny olona fa maivana ny mpanohitra, ka mba aoka samy hihevin-tena fa tsy misy tompon’ity firenena ity anie, ka ny « homboy » anio anie mety « hosana » ampitso e. Aoka ho samy matotra ny rehetra mba hialana amin’ny rà mety handriaka vokatry ny fifampihainoana mitongilana mateti-pitranga eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS