Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 21 mai 2024
Antananarivo | 00h26
 

Teny zato, kabary arivo

Sahia manao dingana lehibe

lundi 16 juillet 2007 |  206 visites  | Naivo kely

Fomba fiteny efa ela io, ary manomboka tokoa izany dingana izany raha mahita ny trangan-javatra nisesisesy tao ho ao isika mianakavy. Noterena hampidininina ny vidin’ny solika mba tsy hanao izay danin’ny kibony ny mpandraharaha, dia niaraka ny vava ny fidinan’io, saingy mbola io niakatra io indray avy eo. Napetraka ny famotsoran-keloka faobe momba ny hetra, ka ny mpandraharaha maro no tena faly tamin’io, saingy toa tsy nahafaly ny mpamatsy vola mahazatra angaha, ka nahatonga ny filoham-pirenena nampiaka-peo ny zoma lasa teo. Maro no mametraka ahiahy, ny mety ho voka-dratsin’iny fanambarana iny, kanefa teny latsaka iny ary sarotra ny miverina amin’ny vava navoaka. Fasahiana goavana ny nataon’ny filoha, ary maro no nidera azy. Nahoana tokoa moa no ny vahiny hatrany no hibaiko ny toe-karena eto amintsika, eny fa hatramin’ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana aza dia tsy maintsy hierana any avokoa ? Ny tontolon’ny Oniversite dia iza no tsy mahalala fa efa manome baiko ireto mpamatsy vola ireto ny hisintahan’ny fanjakana amin’io ? Fa dia ho fadiranovana tokoa ve isika raha miala amin’ireto ambara ho mpamatsy vola ireto ? Ekena fa hisy fiantraikany goavana eo amin’ny toe-karena raha sanatria tokoa miala ry vahiny isany, saingy nahoana ny firenena maro eran-tany no tsy miaraka aminy no tafavoaka koa isika irery no ho tavela eto ? Sahia manao dingana lehibe, ary efa ela anie ny maro no tsy nankasitraka ny fiarahana amin’ny FMI sy ny BM ka isan’ireny ny fikambanana Otrikafo, izay nilaza fa mpambotry antsika ireo ary ny harentsika ihany no hanajany antsika. Dia manomboka eto izany, dia hifantoka amin’ny fomba hitondran’ny filoha Ravalomanana ny baolina ny sain’ny mpitazana, koa mahaiza mamindra sao hamingana ny tena ny fanapahan-kevitra tampoka tahaka ireny.y

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS