Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 20h24
 

Teny zato, kabary arivo

Ity vao tena MAP !

jeudi 5 juillet 2007 |  175 visites  | Naivo kely

Fiovana goavana no hita eto raha miara-misalahy ny mpandrahara rehetra sy ny fanjakana, raha manaiky ilay antso avo nataon’ny filohan’ny repoblika Marc Ravalomanana omaly avy any ivelany nilaza fa ho atao eto Madagasikara ny taona 2009 ny fivorian’ny vondrona Afrikana handraisan’ireo filoham-panjakana maro isan-karazany atsy Afrika.

Fananganana hotely handraisana vahiny, eo ihany koa ny momba ny fitaterana, ary hojerena ny momba ny seranam-piaramanidina eny Ivato raha mahazaka fiaramanidina hatramin’ny 40 mahery any ho any. Entanina ihany koa ny Malagasy rehetra mba ahay hanova ny foto-pisainana satria tarafin’ny any ivelany isika eto Madagasikara, indrindra ireo manome endrika ratsy ny fiainam-pirenena. Tsy maintsy vita io, hoy ny filoha, satria anisan’ny hampiakatra ny toe-karena eto amintsika ny fahatongavan’ireo vahiny maro be, izay hitobaka eto ny vola vahiny. Raha iny fanazavan’ny filohan’ny nosy omaly iny no jerena maimaika, dia maro no nilaza hoe : « ity vao tena MAP ! » . Ho maro ireo foto-drafitrasa hajoro eto ao anatin’ny fotoana fohy, isan’io ilay hotely lehibe nambaran’ny filoha raha vao nahazo ampaham-bato betsaka izy ny 3 desambra lasa teo, ka nolazaina fa hajoro eto Antananarivo ho fankasitrahana ny mponina teto tamin’ny vato 75% azon’ny kandidà Ravalomanana. Ho maro ny ahazo asa amin’ny asa tahaka izao, ary samy hahazo ny tandrify azy ny rehetra, koa moa ve tsy izay no tadiavin’ny maro ? Misimisia ny fahatongavan’ny vahiny tahaka izao, fa ny vola hiditra, ny Malagasy hahazo asa, ary ny firenena halaza, koa aiza indray no hisy fahasoavana ho an’ny firenena tahaka izao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS