Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 22h01
 

Teny zato, kabary arivo

Amboary ny resaka

jeudi 19 juillet 2007 |  128 visites  | Naivo kely

Haino aman-jery maro teto amin-tsika no indray namoaka ilay tenin’ny filoham-pirenena farany teo momba ny mety ho fifandraisantsika amin’ny FMI raha toa ka tsy manaiky ilay famotsoran-keloka momba ny hetra ireto mpamatsy vola ireto. Samy nametraka ny ahiahiny avokoa ny haino aman-jery nisy teto, ary tsy diso anjara tamin’izany ny mpanao politika sy ny mpandraharaha maro, raha toa ka isintahan’ny mpamatsy vola tokoa isika eto Madagasikara. Nanome tsiny ny mpanao gazety ho namadika ny vaovao nolazainy ny filoha Ravalomanana, ka nahataitra ny rehetra indray ny fandrenesana izany.

Dia ho sanatria ve tsy nahay ny asany avokoa ny mpanao gazety rehetra na ninia nanao dika vilana izay voalaza teny Iavoloha ka indray nitovy avokoa ny vaovao nivoaka momba iny fanazavana nataon’ny filoha iny ? Tsy vitsy anefa no nandre tamin’ny fahitalavitra sy ny radio teto iny kabary iny, koa anjaran’ny tsirairay ny mitsara izay voalaza nandritra iny andro iny. Toy ny rano raraka tsy azo raofina iny, sady ny teny rahateo efa foy ka nanan’elatra niampita tany amin’izay tokony hiantefany, koa amboary ny resaka sao miara-maty eto isika mianakavy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS