Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 20h24
 

Teny zato, kabary arivo

Mifanilika an-toerana

jeudi 28 juin 2007 |  133 visites  | Naivo kely

Raha ny tokony ho izy dia anio no ho fantatra ireo komity hikarakara ny filan-kevim-pirenen’ny antoko Tiako I Madagasikara, handamina sy handravona ny disadisa niseho tao amin’io antoko matanjaka ahiana halemy raha tsy mitandrina io. Fihetsika izay midika zavatra maro no mby ao an-tsain’ny mpitazana raha vao raikitra ny savorovoro ao anatiny, dia ireto avy izany. Manakaiky ny fifidianana isan-karazany, izay midika avy hatrany fa hisy ny sivana isan-karazany toy ny mahazatra. Tafapetraka ny faritra 22, ary misy olona napetraky ny filoha hitantana azy ireo, ary azo antoka fa akaiky ny filoha matoa nomena sehatra goavana tahaka izany. Ny ministra isan’isany ihany koa dia mbola manana fahefana goavana amin’ny fampandresena ny tanjon’izao fitondrana izao, izay miainga any amin’ny fahazoana ny maro an’isa. Fa mba aiza ny andraikitry ny loholona sy ny depiote manoloana ireo ?

Matahotra ny maro fa sao ny ministra sy ny filohan’ny faritra manana fahefana feno, no hijery ifotony ireo olona afaka hiara-miasa amin’izao fitondrana izao, ka ho tratry ny sivana toy ny mahazatra ireto depiote sy loholona izay efa niharitra ny mafy ireto. Eo no mipetraka ny savorovoro, ka mila handaminana haingana ny antoko ka hisy fepetra henjana tiana hajoro, mba hialàna amin’ny fahaverezan-tseza mety hitranga. Tsy takona afenina amin’ny filoha mpanorina anefa ny fihetsika sy ny fomba fiasan’ireto olom-boafidy mbola amperin’asa ireto, ary tsy vitsy ny tatitra mety ho voarainy, fa « mibizina » fotsiny ho an’ny tombontsoany manokana ny ataon’ny olom-boafidy sasany.

Raha tena mahatsiaro ho modely teo anivon’ny antoko sy ny fiaraha-monina tokoa izy ireo, dia tsy matahotra ny sivana na ny fitsaram-bahoaka amin’ny latsa-bato, koa aoka tsy hifanilika andraikitra am-pitoerana, indrindra fa manome ohatra ratsy ho an’ny antoko. Ny hampom-po diso toerana hono maharatsy fihavanana, ka sao hametraka laza ratsy eo amin’ny tantaran’ny antoko ka ho mora potika, toy ireo efa hita sy niainana hatramin’izay. Sa ny filohan’io antoko io mihitsy no tsy nahefa ny andraikitra nosahaniny ka mila ovàna ? Toa tsy vitsy tokoa mantsy no re tsilian-tsofina fa mitetika ny hitarika an’izany TIM izany. Ho hita eo anefa rehefa tafapetraka ilay komity, indrindra raha vita ilay filan-kevim-pirenena izay kasaina atao tsy ho ela etsy Ankorondrano.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS