Tratra i Pety. Hivoaka ny vola be natokana ho an’izay mahasambotra ity olona ity. Mirangorango avokoa ny rehetra izay nandray anjara tamin’iny hetsika iny, ka nahatonga ny mpitazana sasany hilaza hoe « Malagasy voavidim-bola » tokoa ve no eto ka tsy mahalala ny fitaka sy ny marina atao amin’ny mpiara-belona ? Tsy iadian-kevitra hatreo, fa mifarana hatreto aloha ny làlan’i Pety sy ny fianakaviany, satria dia ny fonja no sakaizan’ity tokantrano ity manomboka eto. Ny vavy iny efa niarahana nahita iny ny fisantarany ny tranomaizina ary izao voatazon’ny fanjakana izao koa ny rembiny. Raha mitaha amin’ny vola be natao antoka, moa hitondra inona ho an’ny firenena ny nahazoana ity olona ? Mety hanomboka eto amin’izay ve izany ny asa fampandrosoana satria tratra ny mpanankorontana ka hanomboka amin’izay ny fiadanana ho an’ny Malagasy tsy vaky volo ? Lesona lehibe ho an’ny maro izao ka samia mijery izay hasiana ny tongotra sao solafaky ny olana notohanana any aoriana.
Hanomboka ny fiadanana
samedi 21 juillet 2007 | 155 visites |