Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 20h24
 

Teny zato, kabary arivo

Mahaiza mankasitraka

mercredi 18 juillet 2007 |  169 visites  | Naivo kely

Toa fifanomezan-tsiny hatrany no hita momba ny fanomanana sy ny fandraisana ny lalaon’ny nosy izay ho atao eto amintsika manomboka ny 9 ka hatramin’ny 19 Aogostra izao. Ifanomezan-tsiny satria tsy mbola mifanaraka amin’ny fihevitry ny tsirairay toy ny fahita any ivelany raha handray lalao goavana tahaka izao isika.

Ekena tsy azo lavina io, ary hanentanana ireo tompon’andraikitra maro samy hafa ao amin’i COJI mba hanazava amin’ny antsipirihiny ny ezaka izay atao, ka mba ho lalao miaina ao anatin’ny asa mendrika no handraisana ireo mpandray anjara rehetra. Ahoana moa no hinoan’ny gasy fa telo taona mialohan’ny lalao ny firenena rehetra dia efa mahavita ny asa tokony handraisana ny lalao, kanefa ny antsika toa andro no hisaina ? Tsy io anefa no zava-dehibe fa ny foto-drafitr’asa mifanaraka amin’ny filan’ny lalao iraisam-pirenena, koa na iray andro aorian’ny lalao ve moa mifanaraka amin’io ny asa natao ? Ny medaly azo ihany no hifampitsarana, kanefa aza atao kitoatoa ny lalao sao hotondroin’ny olona molotra toy ny Politika eto isika mianakavy. Mahaiza ihany koa mankasitraka ny vahoaka fa tsy hifanome tsiny lava eto ka raha resy ny tompo-tany dia miainga avokoa ny fanasoketana isan-karazany, fa raha mandresy dia samy hideheka ho nahavita azy ny tsirairay. Raha ity farany moa haninona fa ny mifanohitra amin’io no ratsy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS