Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 23h06
 

Teny zato, kabary arivo

Gasy tsy ho vazaha

mercredi 11 juillet 2007 |  278 visites  | Naivo kely

Mahamenatra ny mahita fa isika samy gasy ihany no mifandevina ivoho eto, raha mahita ny fiangarana atao eo amin’ny olona naiditra am-ponja isika ary toa mahakivy ho an’ny mpitazana. Raha nambara fa marary i Ialy Rakotoniaina izay voafonja ao Fianarantsoa sy ny ben’ny tanànan’i Toamasina Roland Ratsiraka izay voalaza fa marary ihany koa, dia nanambara ny fitondrana fa tsy misy olona ambony sy ambany fa mitovy avokoa rehefa voafonja ka tsy hilàna izany fitsaboana manokana izany. Tsara izany satria izay tokoa no tena izy, saingy ireto misy zavatra mahalasa saina. Fa nahoana i Natacha Barday no navela hahazo fitsaboana manokana ivelan’ny fonja ? Sa teran-tany vahiny sy atahorana hisy fiantraikany eo amin’ny any ivelany ka nankatoavina ny fangatahany ? Ny Praiministra teo aloha Tantely Andrainarivo, izay nomena fahafahana malalaka hitsabo tena any ivelany, kanefa tsy hita ny nanjavonana hatramin’izao mba manao ahoana ? Sa ve iretsy mety handositra na ihany koa hitarika vahoaka hanakorontana hanongam-panjakana ka izay no tsy hamelana azy hitsabo tena any amin’ny hopitaly izay eto an-toerana ihany ? Dia hita tokoa fa ny gasy tsy ho vazaha velively, koa mba manontany tena izahay hoe raha misy migadra ve any ivelany, moa atakalony ny tera-tany ao aminy ny fiarovana ny zon’ireo voa-fonja, sa isika mihitsy no mataho-bazaha ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS