Ampefy : voka-pifidianana nifamadika
Nofantsihan’ny fokonolona ny varavaran’ny kaominina
vendredi 4 janvier 2008 |
| 619 visites
Nofantsihan’ny fokonolona ny varavaran’ny kaominina Ampefy nandritra ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ireo ben’ny tanàna vaovao ao anatin’ny faritra Itasy omaly alakamisy. Tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana no ametrahana ireo ben’ny tanàna ireo, ka tamin’ny fandalovan’ny delegasiona tao Ampefy dia nanao fihetsiketsehana ny mponina izay tsy nanaiky ny nametrahana ny ben’ny tanàna avy amin’ny antoko tim. « Tsy hanaiky izahay fokonolona na hisy ra mandriaka aza ». Nambaran’ireo fokonolona fa (...)