Fanafihan-jiolahy teny Itaosy
Fivarotana efatra no lasibatra, olona iray voatifitra
jeudi 13 décembre 2007 |
| 450 visites
Jiolahy miisa 12 nirongo fiadiana no nanafika toeram-pivarotana efatra teny Itaosy, afak’omaly, tamin’ny 7 ora sy sasany.
Mpivarotra enta-madinina telo ary mpivarotra zava-pisotro mahamamo iray no novangian’ireo jiolahy tao anatin’ny fotoana fohy monja. Mbola nivoha avokoa ireo mpivarotra tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any ka notetezin’ireo mpanafika. Araka ny vaovao azonay avy eny an-toerana, dia nandeha scooter ny lehilahy telo ary ny sivy kosa nandeha tamin’ny fiara 4x4. Voalaza fa nirongo (...)