« Pont flottant » Tanambao Nosibe
Lasa toerana fihariana
samedi 15 mars 2008 |
| 976 visites
Tsy ny rano intsony no misondrotra fa ny tetezana mitsingevana (pont flottant) no milentika. Izay no zava-mitranga ao Tanambao Nosibe,amin’ny làlam-pirenena faha 5, raha ny fahitana azy ny andron’ny alakamisy faha 13 martsa lasa teo.
Satria nisy ny manao ankasomparana, mangalatra na manao fanahy iniana manaisotra ny ampahany amin’ny sila maha tetezana mitsingevana ilay tetezana. Satria misy ny mihevitra fa ny fitohanana vokatr’izay trangan-javatra izay no mampidi-bola ho entina mihary. Satria (...)