Vokatry ny fitanana ody gasy
Nodorany ny fananany an-tapitrisa
jeudi 13 mars 2008 |
| 819 visites
Loza no nafitsok’ity raim-pianakaviana iray tany amin’ny tanànan’ Andafialava, kaominina Ambinany-Andravory, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar. Nodorany ny tranony niaraka tamin’ny entam-barotra rehetra tao anatiny ary tsy nisy nahasakana azy tsy hanao izany ny fokonolona.
Tamin’ny alatsinainy lasa teo, tamin’ny 8 ora maraina tany ho any no nitrangan’ity habibiana ity. Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia toa mitana ody ratsy ity lehilahy ity ary vokatr’izany no nahatonga azy handoro ny fananany. (...)