Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 06h42
 

Malagasy

Vokatry ny fitanana ody gasy

Nodorany ny fananany an-tapitrisa

jeudi 13 mars 2008 |  819 visites  | Nivo T. A.

Loza no nafitsok’ity raim-pianakaviana iray tany amin’ny tanànan’ Andafialava, kaominina Ambinany-Andravory, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar. Nodorany ny tranony niaraka tamin’ny entam-barotra rehetra tao anatiny ary tsy nisy nahasakana azy tsy hanao izany ny fokonolona.

Tamin’ny alatsinainy lasa teo, tamin’ny 8 ora maraina tany ho any no nitrangan’ity habibiana ity. Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia toa mitana ody ratsy ity lehilahy ity ary vokatr’izany no nahatonga azy handoro ny fananany. Toa hoe navadiky ny mpimasiny izy ka niafara tamin’izao fandravàna fananana izao. Naka solitany ny lehilahy ary tamin’ny fotoana tsy naha-tao an-trano ny vady aman-janany no nandoroany ny trano. Niezaka namono ny afo ny fokonolona saingy nosakanan’ilay lehilahy tamin’ny fomba rehetra. Kila forehitra ny fananany izay vao navelany namono afo ny olona. Soa ihany aloha fa mba tsy nihitatra nankany amin’ny tranon’olon-kafa teo akaikiny ity afo niniana natao ity. Araka ny fantatra, dia manodidina ny Ar. 10 tapitrisa any ho any ny teti-bidin’ireo entana lasa lavenona tao amin’ity trano fivarotana enta-madinika tany Ambinany-Andravory-Vohémar ity. Ankoatra ny entam-barotra mantsy dia kilan’ny afo tsy nisy azo noraisina ihany koa ny fanaka rehetra tao an-trano.

Ilay ramatoa vadiny moa dia namantana trano sy fananana lasa lavenona. Nanjavona tao anatin’ny fotoana fohy ny harena nisasarana nandritra ny taona maro. Tsy fantatra aloha izay mbola hataon’ity vehivavy tompon’ny fananana may ity na hametraka fitoriana na hijanona amin’izao fotsiny. Ny vady andefimandriny ihany mantsy no nahavanon-doza ary fananan’izy ireo ikambanana no lasibatra.

Hafa indray ity ! Ny olona mikatsaka fatratra mba hahasoa ny ao an-tokantrano sy hampitombo harena, ny an’ity lehilahy ity ny eo am-pelatanana indray no noravana tamin’ny afo.

Izany tokoa ve ny vokatry ny filalaovana ody tafahoatra ! Asa aloha !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS