Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 08h18
 

Malagasy

Faritra Analamanga

Izay miasa no ampiana

jeudi 13 mars 2008 | Volana R.

Kaominina Talata Volonondry sy distrikan’ny Vakin’i Mananara. Ireo no toerana notsidihan’ny lehiben’ny faritra Analamanga, Ratsimbazafy Fidy, ny talata lasa teo. Teo aloha ny fihaonana voalohany tamin’ny mponina, hatramin’ny nandraisany ny toerany, fa teo ihany koa ny fanolorana fanampiana ireto traboina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo sy ireo vahoaka sahirana.

Ankoatry ny fanomezana avy amin’ny filoham-pirenena sy ny Faritra moa, dia nisy ihany ny tolotra avy amin’ny ministeran’ny Fahasalamana, ny Foibe misahana ny fanjarian-tsakafo, ny PSI, ny Filankevitra miady amin’ny fihanaky ny Vih-Sida ary ny Birao nasionaly mpandrindra ny loza voajanahary.

Efa nisy ny fanampiana tany amin’ny lafiny Vakiniadiana, ny distrika Ankazobe, Andramasina, Atsimondrano, ary mbola ho avy ny anjaran’ny distrika Anjorobe sy Ambohidratrimo.

Noararaotina, nandritra ny fitsidihana, ny fanentanana ny vahoaka andeha hifidy ny mpikambana ao amin’ny filankevi-paritra ny alahady izao. « Zava-dehibe io satria izay olom-boafidy eo no hiara-hiasa amin’ny lehiben’ny Faritra. Izy ireo no handany ny lalàna entina hampandrosoana ny distrika mandrafitra ny Faritra, izany hoe hamaritra ny filàn’ny tsirairay ka hifandraika amin’ny zava-misy ny tetikady ampiasaina ». Samy nanambara izany avokoa moa na ny lehiben’ny distrika Avaradrano sy Manjakandriana, na ny solom-bavambahoaka voafidy tany an-toerana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS