Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 12h16
 

Malagasy

Fampielezan-kevitra

Manomboka liana ny olona

jeudi 13 mars 2008 |  279 visites  | Naivo kely

Tsy rototra nefa manongilan-tsofina. Io no hita amin’ny fampielezan-kevitra eto amin’ny tanàna. Asa na leon’ny fampanantenana isan-karazany fanaon’ny kandida ny vahoaka no tsy maha-rototra azy manatrika ny propagandy, ka zary mangadihady hatrany ny famoriam-bahoaka ataon’ny kandidà.

Ny hita anefa dia liana amin’ny tena andraikitry ny mpanolon-tsaim-paritra ny maro. Hita io amin’ny resaka eny an-tsena rehetra eny. Manomboka mifantoka any amin’ny fifidianana amin’ny alahady ihany koa ny rehetra. Andraikitra iray tsy azo sarahina amin’ny faritra ny asan’ny mpanolotsaina. Isan’ny fifidianana manakaiky ny vahoaka no atrehana amin’ny alahady, ka rariny raha manomboka misento aminy ny mponina. Ho an’ny antoko mandray anjara amin’io toy ny TIM dia miroso amin’ny ady hevitra amin’ny ambaratonga samihafa. Isan’io ny mpianatra, ny vehivavy, ny mpandraharaha, ary ny tanora mpanao fanatanjahan-tena.

Tetika iray afahana mifampikasoka amin’ny vahoaka ny toy izao hoy ireo kandida samihafa ao amin’i TIM. Tsy takona afenina koa anefa ny tanjon’ireo kandida ivelan’ny TIM izay toa miara-dia amin’ity antoko ity ihany na dia mitondra anarana hafa aza. Dia samy mahay manentana izy ireo saingy tsy voatety ny faritra rehetra, fa zara raha nahita malalaka kely nanentanana ny mpifidy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS