Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 3 mai 2024
Antananarivo | 06h31
 

Articles dans la rubrique « Tsakotsako »

  • Miserasera bebe kokoa

    lundi 4 août 2008 | RAW |  769 visites
    Mba mampiasa teknolojia avo lenta sy raitra ihany ny serasera-panjakana toa ny ao amin’ny fampielezampeo sy ny haino aman-jery. Ny manahirana ny mieritreritra azy dia tsy mifandray amin’ny mailaka (email) amin’ny mpiara-miasa aminy izy ireo. Na ny fandaharan’ny televisiona na ny tatitry ny filankevitry ny gouvernemanta dia, na tsy tonga mihitsy, na tara, izany hoe efa nilaozan’ny toetrandro vao tonga any amin’ireo mpiara-miasa aminy. Ny fifandraisana amin’ny seraseran’ny fiadidiana ny Filohan’ny (...)
  • Basin-janako !

    vendredi 1er août 2008 | R. C. |  1363 visites
    Ho foana ny fiteny malagasy afaka 42 taona, any amin’ny taona 2050 any ho any. Izany no vokatry ny fikarohana nataon’ny mpikambana iray ao amin’ny Akademia Malagasy, Rahaingoson Henri. Avoakan’ny gazetintsika anio ny resadresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety miana- draharaha iray ato amin’ny Madagascar Tribune omaly. “Maty aho basin- janako”, no nasetrin’ny mpandala ny fiteny Malagasy izany vaovao izany raha nanontaniana ny heviny momba ity vaovao ity izy. Ny hafa indray nilaza avy hatrany fa (...)
  • Maty vao Ramalala !

    mardi 29 juillet 2008 | RAW |  2269 visites
    Sarotra ny miaina. Maty i Herizo Razafimahaleo. Tonga nidodododo sy nanambara ny fahabangana teo imason’ny ankohonana sy fianakaviana ary mpiray antoko taminy avokoa ny ankolafin’olona maro, hatramin’ny fitondrapanjakana sy ireo filohan’antoko mpifaninana. Indrindra moa ireo mpanohitra. Samy nanaiky izany fahabangana izany amin’ny fombany avy. Ny sisa tsy natao satria toa mibaribary loatra ny fiatsarambelatsihy, dia ny nanome azy mariboninahitra ambony na niteny zavatra tsy mendrika satria ny (...)
  • Bizina ve sa ?

    jeudi 17 juillet 2008 | RAW |  1414 visites
    Toa betsaka loatra ireto atao hoe seminera sy fiofanana ary mampieritreritra mihitsy tato ho ato. Ny tena mahalasa saina dia ity natao hoe « Conseil supérieur de la Défense natioanale ». Asa raha firy tamin’ireo olomboafidy tahaka ny ben’ny tanàna na depiote no nanatrika, nandray anjara tamin’iny sy namosaka hevitra tao. Raha ny fahita azy tao amin’ny gazety sy fahitalavitra aloha dia ireo miaramila, zandary, polisy sy manamboninahitra isan-karazany, miaraka amin’ireo solontenan’ny ministera atao (...)
  • Ho lany andro isika

    mercredi 4 juin 2008 | RAW |  891 visites
    Iza no taloha, ny ONG sa ny MAP ? Iza no mahalala kokoa ny zava-misy sy ny olana any ifotony ? Ireto mpitondra vao voatendry vao haingana sa ireo olom-boatendry sy voafidy vao haingana ? Sa ireo vondrona ifotony na ONG niara-niasa tany anaty ravinkazo tany niaraka tamin’ireo mponina any ? Ny MAP izao no malaza. Teo aloha dia ny Boky Mena. Natao tsianjery mihitsy. Ankehitriny ary, izay mpitondra tsy mahalala sy tsy mitanisa imasombahoaka ny «engagement» faha izao na izao dia toa mampiahiahy na (...)
  • Maherin’ny 150 izy ireo

    mardi 27 mai 2008 | RAW |  1057 visites
    Mampitolagaga. Tsy ifankahitana raha ny isany. Tsy fantatra ary tsy hita akory izy reo. Na izany aza, ary tsy azo lavina fa midika izany fa malalaka ny sehatra politika. Manana safidy ny olona. Malalaka ny fanaovana pôlitika. Mifamahofao ny fijery sy ny hevitra. Saingy rehefa tonga ny fifidianana dia hafa tanteraka ny tontolo iainan’ny mpifidy. Eny na dia fifidianana ifotony aza; tahaka ny fifantenana ny ho « sefom-pokontany ». Ny zava-misy aloha dia antoko tokana foana no mibata ny tena (...)
  • Antsasaky ny fahefany

    mercredi 21 mai 2008 | RAW |  1281 visites
    Potikena antsasaky ny fahefany, laisoa voatetika antsasaky ny fahefany, voatabia toko iray ary tongolo toko iray, na tongolo sy voatabia dimampolo ariary, menaka iray sotro. Antsasaky ny fahefany indray izao ny fatra mahazatra eny an-tsenakely, eny amin’ny mpivaro-kena, na kisoa na omby, eny na dia eny amin’ireny mpivarotra « poulet de chair » efa voatetika ireny aza. Ireo no zakan’ny vola efatra arivo ariary. Ny arivo ariary ambiny tsy maha dimy arivo azy dia saran-dàlana sy pitsopitsony. Dimy (...)

0 | 20

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives