Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 01h23
 

Tsakotsako

Basin-janako !

vendredi 1er août 2008 |  1363 visites  | R. C.

Ho foana ny fiteny malagasy afaka 42 taona, any amin’ny taona 2050 any ho any. Izany no vokatry ny fikarohana nataon’ny mpikambana iray ao amin’ny Akademia Malagasy, Rahaingoson Henri. Avoakan’ny gazetintsika anio ny resadresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety miana- draharaha iray ato amin’ny Madagascar Tribune omaly. “Maty aho basin- janako”, no nasetrin’ny mpandala ny fiteny Malagasy izany vaovao izany raha nanontaniana ny heviny momba ity vaovao ity izy. Ny hafa indray nilaza avy hatrany fa vokatry ny “mondialisation” izany. Tsy nisalasala moa izy ireo nilaza fa “loza amin’atambo raha ho foana toy izany ny fiteny Malagasy”. Ny sasany indray mitompo teny fantatra fa izany no vokatry ny fanaovana teny vary amin’anana tsy misy farany eo amin’ny samy Malagasy. Enti- katezerena ery ry zareo amin’izany. Mety ho foana ve anefa ny fiteny iray raha toa ka mbola misy mponina mampiasa azy ? Hafahafa ihany mantsy ny mandre izany. Etsy an- daniny ny isan’ny mponina mitombo, etsy ankilany, ho foana ny fiteny hifampiresahany. Tsy misy miresaka izany ry zareo ? Tsy misy serasera ihany koa ?

Aleo hiova

Ny tsy azo lavina dia izao : misy dia misy tokoa ny fivoatry ny teny sy ny fiteny vokatry ny fifampikasohana sy ny fifanakalozana. Amin’ny ankapobeny, tsy mitovy ny fiteny Malagasy ankehitriny sy ny tamin’ny taonarivo faharoa. Tsy hitovy toy izany koa ny fiteny malagasin’ny taona 2008 sy ny taona 2050. Fehiny : aleo hiova. Ny anarana malagasy ohatra dia tsy mitovy intsony amin’ny anarana taloha. Fahiny, rehefa niteraka an’i Koto i Rabe dia tonga Rainikoto. Ankehitriny, Razily ny dadanao omaly, Razily ianao androany, ny zanakao koa mety ho Razily. Fa ny zafikelinao, azo antoka fa ho lasa Ronaldo na Kevin na Naruto, sns, raha lahy. Raha vavy kosa dia ao ny Jennifer, Angelina, Leona, sns. Ka aleo hiova ny fiteny Malagasy fa izay tsy miova, mihemotra. Dieny ankehitriny ary, samia mivonona sy miomana ho amin’izany fiovana fiteny izany. Sambany mantsy mba nisy mpikaroka ara-tsiansa nampahafantatra dimam-polo taona mialoha ny trangan-javatra any aoriana any. Mba ho fanomezana hasina ny fikarohana vitany, sy ho fanomezan- danja ny Akademia Malagasy, araho izay voalazany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS