Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 01h23
 

Tsakotsako

Ho lany andro isika

mercredi 4 juin 2008 |  891 visites  | RAW

Iza no taloha, ny ONG sa ny MAP ? Iza no mahalala kokoa ny zava-misy sy ny olana any ifotony ? Ireto mpitondra vao voatendry vao haingana sa ireo olom-boatendry sy voafidy vao haingana ? Sa ireo vondrona ifotony na ONG niara-niasa tany anaty ravinkazo tany niaraka tamin’ireo mponina any ?

Ny MAP izao no malaza. Teo aloha dia ny Boky Mena. Natao tsianjery mihitsy. Ankehitriny ary, izay mpitondra tsy mahalala sy tsy mitanisa imasombahoaka ny « engagement » faha izao na izao dia toa mampiahiahy na sadasada. Hatrany amin’ny distrika any dia io MAP io no toa fanerena hampitàna na hampakantoavana ny vahoaka ny teny midina. Avy any amin’ny làlam-pirenena faharoa sy fahaefatra amby efapolo sy ny manodidina, ary avy amin’izany kaomina atao hoe Fasintsara izany, any akaikin’Ifanadiana, faritra Vatovavy Fitovinany, dia maro ireo fitarainana sy antso amin’ny mpitondra fa toa ity MAP ity no biby fampitahorana. Ny fihetsika hafahafa dia tsy adinon’ireo olona mitaraina.

Fa ny tena mampieritreritra dia ireto fitenin’ny mpitondra sasantsasany. Rehefa nihaona tamin’ireo « ONG » sy fiarahamonim-pirenena tany ifotony izy ireo ka tsy nitovy ny fijery sy ny hevitra dia vitany ny nilaza tsotra izao fa mbola malalaka ny any Ambalatavoahangy sy ny any Antanimora.

Ny teny tahaka izany dia tonga tany an-tsain’ireo mpahalala ka ny fahendren’izy ireo no nanosika azy ireo hiataka tsikelikely fa sao dia tanteraka tokoa izany « vava tsy ambina » na ramatahora izany. Hiandry ireo mpanentana sy mpikatroka ifotony. Tsy hanao hafa tsy izay fara-fahakeliny izy ireny mandra-pahatonian’izany hasiahana izany. Rahoviana anefa ?

Marina tokoa fa ny mpitondra dia hifandimby, na voatendry izy na voafidy, fa ny vondrona ifotony sy ny vahoaka dia mitoetra ary tsy azo ialana. Ny fihetsika ramatahora sy fiteny tsy ambina toa ireny dia mampialangalana ary mandany andro. Sa izany no tanjona mba hahafahana manao ny danin’ny kibo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS