Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 14h14
 

Tsakotsako

Maherin’ny 150 izy ireo

mardi 27 mai 2008 | RAW

Mampitolagaga. Tsy ifankahitana raha ny isany. Tsy fantatra ary tsy hita akory izy reo. Na izany aza, ary tsy azo lavina fa midika izany fa malalaka ny sehatra politika. Manana safidy ny olona. Malalaka ny fanaovana pôlitika. Mifamahofao ny fijery sy ny hevitra.

Saingy rehefa tonga ny fifidianana dia hafa tanteraka ny tontolo iainan’ny mpifidy. Eny na dia fifidianana ifotony aza ; tahaka ny fifantenana ny ho « sefom-pokontany ». Ny zava-misy aloha dia antoko tokana foana no mibata ny tena fandresena na marimamarina kokoa ny toerana maro ho tsinjaraina. Ny ampahany kely dia kely amin’ireo olomboafidy no mahaleotena.

Ireo mahaleotena ireo ve no avy amin’ny antoko na fikambanana maro an’isa ? Sa ireo no tena mavitrika any ifotony ?

Raha tsorina dia tena mandray anjara an-kalalahana sy fahafantarana tanteraka ny tena vontoatin’ny antoko pôlitika sy ny fifidianana ve isika sa kosa manangana antokom-pianakaviana na antokototokon’olona fotsiny ? Hany ka tsy mampiraika ny olompirenena ? Sa dia tsy hain’ireo antoko na fikambanana pôlitika ny mandalina sy mampivohitra ny hetahetan’ny olompirenena ? Nefa dia tsy sarotra ange e ? Inona no tena mavaivay ny tokantrano ? Inona no tena manahirana azy ? Ny fianaran-janany aloha, ny sakafony isan’andro, ny fahasalamany, ny ho aviny, izany hoe, ny tranony, ny fialamboliny, ary ny tena ho aviny amin’ny maha-olona azy miha-antitra. Asa fa dia hatramin’izao dia ny TIM sy ny namany no malaza. Teo aloha dia ny Arema. Talohan’izay dia ny Undd ; dia ny Hery Velona ary ny tany am-boalohany dia ny PSD.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS