Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 17h58
 

Tsakotsako

Maty vao Ramalala !

mardi 29 juillet 2008 | RAW

Sarotra ny miaina. Maty i Herizo Razafimahaleo. Tonga nidodododo sy nanambara ny fahabangana teo imason’ny ankohonana sy fianakaviana ary mpiray antoko taminy avokoa ny ankolafin’olona maro, hatramin’ny fitondrapanjakana sy ireo filohan’antoko mpifaninana. Indrindra moa ireo mpanohitra. Samy nanaiky izany fahabangana izany amin’ny fombany avy. Ny sisa tsy natao satria toa mibaribary loatra ny fiatsarambelatsihy, dia ny nanome azy mariboninahitra ambony na niteny zavatra tsy mendrika satria ny Malagasy tsy miady amam-paty.

Tena nanana ny toerany tokoa raha i Herizo Razafimahaleo. Ho an’ny olon-tsotra dia mpandraharaha sy mpamorina asa i Herizo. Tsy nisy maty ireo orinasa natsangany fa mbola velona sady miroborobo manana ny toerany foana na dia maro dia maro aza ny fahasahiranana sy fingapingana.

Vitsy dia vitsy ny manampahaizana ambony toa ireny, ka sahy nirotsaka tamin’ny fandraharahana. Ny maro amin’ny manampahaizana malagasy dia, na mihazakazaka miasa amin’ireny fandaharan’asa vatsian’ny fikambanana iraisampirenena vola, na mihazakazaka hiasa ho an’ireny fandaharan’asa iraisampirenena ireny. Raha tsorina dia matim-boninahitra hoe « fonctionnaire international », na « haut fonctionnaire de l’Etat » ny maro, satria ao no misy karama be sy vola tsy toko tsy forohana tantanina, mora tatarina ary miteraka fahefana tsy hita noanoa. Malain-kisahirana ; tsy tahaka an’i Herizo Razafimahaleo ny manampahaizana maro.

Maro ireo mpianatra malagasy indray mira taminy teny amin’ny oniversite, na mitovitovy taona taminy no lasa manampahaizana fa tena vitsy no sahy niro-tsaka tamin’ny famoronana asa mivantana. Ny sasany aza moa niriaria teo amin’izany sehatry ny fananganana orinasa sy famoronana asa izany nandritra ny taona maro saingy na orinasa iray lehibe aza tsy sahiny natsangana. Tsy ny fahaizana angamba no tsy ampy fa ny tahotra no be loatra ary ny fahalainana hisahirana no betsaka. Ao amin’ny rafi-panjakana sy ireo rantsan’ny fikambanana iraisampirenena ireny mbola misy voninahitra sy vola mora azo kokoa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS