Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 15h29
 

Tsakotsako

Miserasera bebe kokoa

lundi 4 août 2008 | RAW

Mba mampiasa teknolojia avo lenta sy raitra ihany ny serasera-panjakana toa ny ao amin’ny fampielezampeo sy ny haino aman-jery. Ny manahirana ny mieritreritra azy dia tsy mifandray amin’ny mailaka (email) amin’ny mpiara-miasa aminy izy ireo. Na ny fandaharan’ny televisiona na ny tatitry ny filankevitry ny gouvernemanta dia, na tsy tonga mihitsy, na tara, izany hoe efa nilaozan’ny toetrandro vao tonga any amin’ireo mpiara-miasa aminy.
Ny fifandraisana amin’ny seraseran’ny fiadidiana ny Filohan’ny Repoblika kosa dia tsy azo kianina. Tanteraka tokoa izay nambara tamin’ny 2003 fa hisy Sekreteran’ny Fifandraisana na Serasera amin’ny Filohampirenena. Saingy ilay fihaonana amin’ny mpanao gazety isam-bolana no tsy hita popoka. Raha misy aza dia toa teny tsy valiana fa tsy serasera, fifanakalozan-kevitra.
Ny zava-misy aloha dia efa mahazo vaovao saiky isan’andro avy amin’ny Fiadidina ny Filohan’ny Repoblika ny mpampahalala vaovao. Ny tsy ampy dia ny fanazavana manodidina ireny vaovao ireny.

Ny fanontaniana tsy nahitana valiny hatramin’izao dia ny antsipiriany mifandraika amin’ireny filankevitry ny minisitra ireny. Didy aman-dalàna sy didy hitsy volana no voatanisa ao amin’izy ireny.

Raha ny lalàm-panorenana aza vitsy no mahafehy azy sy mahalala azy, firy ny olona mahay ireny didy aman-dalàna avoaka sy ovaina na ahitsy isaky ny herinanandro na isaky tapa-bolana ? Ny mpiasan’ny ministera voakasik’ireny lalàna ireny aza moa dia tsy mahalala akory ny fiovana na fanovana ireny. Ny didy hitsivolana moa dia efa amam-bolana matetika vao mivoaka ary miaraka amin’izany koa ny fahafantaran’ireo mpiasa any amin’ny birao mifanerasera amin’ny olon-tsotra ireny.

Raha tsorina dia mila mifanerasera betsaka kokoa fa toa tompontrano mihono ny mpiara-miasa sy ny vahoaka.

Tsy ampy intsony ny teny midina fotsiny. Te-hijery lanitra mangamanga izahay ary te-hiasa ho an’izany, saingy izay jerena sy hatonina toa moana sy rainizavona. Ny sasany aza moa toa masiaka nefa ny anjara asa dia ny fanompoana vahoaka sy fampahafantarana azy ny vaovao izay tokony ho fantany mba hampazoto azy hiasa tsaratsara kokoa.

Izao indray moa izany dia miverina manao pôlitika hatrany amin’ny ministera sy ny rafi-panjakana toa ny Distrika. Inona no tena marina ? Ny filoha mpanorina aloha dia tsy mbola niteny na tsy maintsy atao io fiverenana amin’ny fifangaroan’ny raharahan’antoko tokana sy ny raharaha-panjakana na fanjakan’antoko tokana io na tsia, na dia nanome hafatra tamin’ny Kongresin’ny TIM aza izy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS