Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 16h21
 

Tsakotsako

Antsasaky ny fahefany

mercredi 21 mai 2008 | RAW

Potikena antsasaky ny fahefany, laisoa voatetika antsasaky ny fahefany, voatabia toko iray ary tongolo toko iray, na tongolo sy voatabia dimampolo ariary, menaka iray sotro. Antsasaky ny fahefany indray izao ny fatra mahazatra eny an-tsenakely, eny amin’ny mpivaro-kena, na kisoa na omby, eny na dia eny amin’ireny mpivarotra « poulet de chair » efa voatetika ireny aza. Ireo no zakan’ny vola efatra arivo ariary. Ny arivo ariary ambiny tsy maha dimy arivo azy dia saran-dàlana sy pitsopitsony.

Dimy arivo ariary isan’andro ho an’olona enina an-trano. Mahatsiaro tena ho mihafy dia mihafy izy ireo satria tany amin’ny dimy taona tany aloha dia betsaka lavitra noho ireo ny fatra sy ny karazan-tsakafo azon’ny volany.

Na dia teo aza ny fisondrotan’ny karaman’ny mpiasam-panjakana saiky isan-taona tato ho ato dia antsasaky ny fahefany sisa no fatra mahazatra eny an-tsenakely. Miasa daholo na ny lahy na ny vavy ary mianatra daholo ny ankizy. Nefa dia ireo no fatran-tsakafo haniny isan’andro. Ny andro tsy fiasana moa dia fanatanjahantsaina manokana ny fiantsenana.

Ho avy izao ny fetin’ny Reny ary dia « akrôbasia » hafa no miandry ny tokantrano zatra niaina izany tany aloha tany nefa noho ny fahefa-mividy ankehitriny dia miparitaka tanteraka ny fomba fiaina. Ny sisa maha izy azy ireo tokantrano ireo dia izy tsy mandry fotsy ary manana trano hialofana, na dia tsy tompony aza.

Tsy mba toa izany ny an’ireo mpikarama any ambanivohitra na ireo mponina eny ambany tanàna, araka ny fiteny, fa efa niova ho « kapoaka Madco » ny famarana ny vary ary sotrokely ny famarana ny menaka. Tsy entina intsony amin’ny tavoahangy ny menaka fa lanin’ny vodi-tavoahangy fa aleon’izy ireo arotsaka anaty « sase » plastika mba azo fihazina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS