Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 16h02
 

Tsakotsako

Bizina ve sa ?

jeudi 17 juillet 2008 | RAW

Toa betsaka loatra ireto atao hoe seminera sy fiofanana ary mampieritreritra mihitsy tato ho ato. Ny tena mahalasa saina dia ity natao hoe « Conseil supérieur de la Défense natioanale ». Asa raha firy tamin’ireo olomboafidy tahaka ny ben’ny tanàna na depiote no nanatrika, nandray anjara tamin’iny sy namosaka hevitra tao. Raha ny fahita azy tao amin’ny gazety sy fahitalavitra aloha dia ireo miaramila, zandary, polisy sy manamboninahitra isan-karazany, miaraka amin’ireo solontenan’ny ministera atao hoe ministeran’ny fiandrianampirenena no « nikaondoha » tao amin’ity tranobe vaovao tao Ivato. Tsy nisy ben’ny tanànan’i Beroroha, na Ihosy, na Ikalamavony, na Maintirano, na Ambohimandry sy Mahitsy tao. Nefa ny fiarovam-pirenena izany araka ny filazan’ny prezida dia manomboka amin’ny fitsinjovana ny fandriampahalemana, fiarovana ny olona sy ny fananany hatraiza hatraiza.

Raha ny vokatra aloha dia tsy hita fa toa lasa resabe fotsiny. Toa fandamin-drafitra fotsiny no tatitra natao tami’ny filoha. Nefa ange tsy ny filoha no tena mitady an’io fandaminana sy vokatra io fa ny mpadoha hetra, ny Malagasy tsirairay avy na aiza na aiza misy azy e !

Ka mampanontany tena ny filaza hoe nangonina ny hevitry ny rehetra tamin’io fikaonandoha momba ny fiarovam-pirenena teo io.

Ny marina aloha hatramin’izao dia vola be no lany satria tsy maintsy nofana daholo ny fitaovana rehetra nampiasaina tao. Manomboka hatramin’ny fanamafisam-peo ka hatramin’ny sakafo. Asa raha maimaimpoana ny « consultant » sy ny hafa. Ohatrinona no lany tamin’iny.

Ny fantatra aloha dia isan’ny efa voasokajy ao anatin’ny vola ho laniana - ary ampahany betsaka ihany - amin’ireny vola izay trosaina etsy sy eroa ireny ity fanofanana sy seminera isan-karazany ireny.

Fa ny tena mahalasa saina dia nahoana no tsy nanaovana seminera na fikaona-doha toa ireny, nian tsoana ireo mpampianatra, mpampiofana sy raiamandreny ity fampianarana manome lanja ny teny malagasy ity. Indrindra ity fanovàna hoe fito taona ity ny fampianarana fototra eto amintsika. Efa tany am-piandohana, raha vao niposaka ny hevitra hoe atao fito taona ny any amin’ny EPP, no efa maro ireo namosaka ny heviny. Isan’izany ireo tany amin’ny faritra sy ambanivohira. Satria any no tena olana sy tsy afa-miala.

Izao dia tapaka fa atomboka amin’ity taona ity ny rafi-pampianarana vaovao. Asa raha mba nanontaniana ny hevitr’ireo raiamandreny sy mpampianatra any ambany ravin-kazo any. Ny fantatra aloha dia efa namporisika mafy ny mpampindra-bola avy any ivelany.

Satria ve misy ny vola dia tsy maintsy atao na ho any na tsy ho any ? Tsy maintsy hampiasaina ireo vola ireo fa sao dia tsy azo intsony ; izany angamba no tena marina ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS