Amboasary Atsimo : Doro tanety niniana natao
Kilan’ny afo ny fasan’ny Andriana Zafindravola
mardi 4 décembre 2007 |
| 550 visites
Ahiana hiteraka adim-poko mihitsy ny nandoroan’olona ny tendrombohitra misy ny fasan’andriana Zafindravola ao amin’ny kaominina Ebelo, distrikan’Amboasary Atsimo.
Tamin’ny tapatapaky ny volana novambra teo no nisy nandoro ity tendrombohitra ity ka nahamay ny faritra tapany andrefana manontolo, tafiditra ao ity fasan’andriana ity. Anisan’ny nahatezitra ireo taranak’ity andriana ity moa ny nahamay ity faritra ity izay efa niniana nodorana tamin’ny taona 2005 ka nanaovan’ny minisiteran’ny Rano sy Ala (...)