Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Malagasy

Marc Ramiarinjatovo

Tsy tambazana fety ny vahoaka

mardi 4 décembre 2007 | Naivo kely

« Ny fanatonana ifotony ny vahoaka no làlana ahafahana mifanakalo hevitra amin’ny mponina mba ahafantarana izay tena mampangetaheta ny vahoaka, ary izay no antony hanaovanay izany », hoy ny kandida Marc Raliarinjatovo. Efa mananika ny 70 ireo fokontany voatsidika nandritra ny herinandro iny, ary hita fa miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny vahoaka. Mila fomba fiasa matotra ny fanarenana ireny faritra ireny, ka isan’io ny làlan-kely sy ny tetezana, ary ny lakandrano. Ny fanampiana ny paompy ahazoan’ny vahoaka rano fisotro madio sy ny trano fivoahana no tena ambetin-dresaky ny maro nandritra ny fitsidihana nataon’ny kandida Marc Ramiarinjatovo. « Niezaka ny tsy hamory vahoaka amin’ny alàlan’ny fety izahay », hoy izy, « satria tsy tambazana fety ny vahoaka hiaino anao ». Mampanantena ity kandida ity, fa ho tohizana ny fihaonana mivantana amin’ny vahoaka amin’ity herinandro ity, mba tena ho ny hevitry ny mpianakavy no hita fa tsy sanatria kabary tsy valiana satria donton’ny fety ny sain’ny hafa. Aoka ho atao anatra ireo kandida taloha namory vahoaka an-kianja izay nahavory olona maro be kanefa rehefa isaina ny isam-bato teto Iarivo zara raha nahazo 2%.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS