Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 21h48
 

Malagasy

Amboasary Atsimo : Doro tanety niniana natao

Kilan’ny afo ny fasan’ny Andriana Zafindravola

mardi 4 décembre 2007 | Hery A.

Ahiana hiteraka adim-poko mihitsy ny nandoroan’olona ny tendrombohitra misy ny fasan’andriana Zafindravola ao amin’ny kaominina Ebelo, distrikan’Amboasary Atsimo.

Tamin’ny tapatapaky ny volana novambra teo no nisy nandoro ity tendrombohitra ity ka nahamay ny faritra tapany andrefana manontolo, tafiditra ao ity fasan’andriana ity. Anisan’ny nahatezitra ireo taranak’ity andriana ity moa ny nahamay ity faritra ity izay efa niniana nodorana tamin’ny taona 2005 ka nanaovan’ny minisiteran’ny Rano sy Ala famotorana, saingy tsy nisy tohiny hatramin’izao.

Miahiahy ny foko mifanolobodirindrina amin’ireo taranaka, izay nomarihan’ny vaovao azonay fa efa nanana tsy fifankazahoana izy roa tonta ireo. Manoloana izany dia tezitra ihany koa ireo mponina satria anisan’ny vakoka ara-kolotsaina ity tendrombohitra ity sady antoky ny tontolo iainana noho izy manana zavaboahary mampiavaka azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS