Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 04h48
 

Malagasy

Fampielezan-kevitra : Mpamily fiarakaretsaka

Manohana an’i Hery Rafalimanana

mardi 4 décembre 2007 |  409 visites  | Hery A.

Nanosika ny fikambanan’ireo mpamily fiarakaretsaka eto an-drenivohitra hanohana ny kandida Rafalimanana Hery ny tsaho aelin’ny sasany mahakasika ny fanovana ny fiara entin’izy ireo. Niantso ny mpanao gazety izy ireo omaly ka nanamafy fa tsy marina izany satria efa nanome toky azy ireo ny PDS Rafalimanana fony izy teo amin’ny toerana sy hatramin’izao fa tsy hanova fiara izany. Nivondrona ireto mpamily ireto, tarihan’ny filohany, Atoa Benaivo ka manohana tsy misy fepetra an-dRafalimanana Hery ho ben’ny tanàna. Maro hoy izy ireo no zava-bitany tamin’ny fiarakaretsaka ary mbola misy ny zavatra azon’izy ireo antenaina rehefa tonga eo amin’ny toerany Rafalimanana.Fikambanana miisa 60 no ahitana ireto mpanohana ireto, mampiasa fiara miisa 7200 eo ho eo. Ankoatran’io dia nanohy ny fampielezan-keviny ny kandida Hery Rafalimanana ka omaly maraina dia teny Manarintsoa Isotry sy teny Anatihazo izay niandrasan’ny mponina azy teny amin’ny tananan’i Satrobory, noelanelanin’ny fitetezana varavarana, ary ny tolakandro dia niakatra avy hatrany teny Ambohimpotsy izay fefiky ny vahoaka na dia elanelan’andro aza. Ankoatry ny tsena efa vita dia hiantoka ny fandriampahalemana ny kandida rehefa lany, hampakatra rano fisotro ary hikarakara ireo tanora amin’ny lafiny rehetra. Nifanitsa-kitro ireo vahoaka nanaraka ny kandida nitety ny faritra maro teny ambony teny. Anio dia hivelatra kokoa hatrany ny kandida hanatona ifotony an’ireo vahoaka eto Antananarivo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS