BNGRC
Nanome vola ar 100 tapitrisa ny « Groupe Sipromad »
mardi 18 mars 2008 |
| 642 visites
Manao ranolava ny fanaterana fanampiana ho an'ny traboina etsy amin'ny biraon'ny sampan-draharaha miahy ny loza voajanahary na ny BNGRC. Omaly hariva no tonga nanatitra ny anjara birikiny ny « groupe SIPROMAD ». Vola mitentina ar 100 tapitrisa no natolony tamin'izany ka voatsinjara avy amin'ny « Fondation AKBARALY » ny ar 75 tapitrisa, ary nampian'ny Sipromad ar 25 tapitrisa. Ho an'ny traboina vokatry ny rivo-doza nisesisesy ireo fanampiana. Ankoatry ny fiahiana ny traboinan'ny loza (...)