Vono olona misesy
Mihorohoro i Mahajamba !
jeudi 10 janvier 2008 |
| 1225 visites
Very hevitra ny mponina ao amin’ny kaominina Mahajamba, distrikan’i Mahajanga II noho ny fiverimberenan’ny vono olona amin’ny fomba feno habibiana any an-toerana !
Tohy vakana ny faty olona hatramin’ny septambra 2006 no nanombohan’izao raharaha izao, tamin’ny nahafatesana vehivavy bevohoka nampiterahanana tao amin’ny toeram-pitsaboan’ny orinasa Aqualma tao Besakoa. Nodidiana ramatoa, na tsy nisy manam-pahaizana na fitaovana momba izany aza tao, ka niara-maty tam-piterahana izy sy ny zazakely. (...)