Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 16h55
 

Malagasy

Vono olona misesy

Mihorohoro i Mahajamba !

jeudi 10 janvier 2008 | Manou

Very hevitra ny mponina ao amin’ny kaominina Mahajamba, distrikan’i Mahajanga II noho ny fiverimberenan’ny vono olona amin’ny fomba feno habibiana any an-toerana !

Tohy vakana ny faty olona hatramin’ny septambra 2006 no nanombohan’izao raharaha izao, tamin’ny nahafatesana vehivavy bevohoka nampiterahanana tao amin’ny toeram-pitsaboan’ny orinasa Aqualma tao Besakoa. Nodidiana ramatoa, na tsy nisy manam-pahaizana na fitaovana momba izany aza tao, ka niara-maty tam-piterahana izy sy ny zazakely. Voalazan’ny nanatri-maso tamin’izay fa nodidiana hatrany amin’ny tratrany io mpiteraka io, ary nisy nolavahana teo amin’ny fony ka nitory ny fianakaviany nefa toa very an-javony ny raharaha.

Nogoahana toy io koa ny fon’ny tovovavy vao 15 taona, nisy namono tamin’ny faha-26 jona 2007 teo sady notresahana ny lohany. Fotoana nampiparitaka ny vaovao momba ny halatra taova moa tamin’ireny nefa nitony ihany ny saina taorian’ny fanazavan’ny mpitondra isan’ambaratongany fa tsaho niniana naely ny resaka halatra taova .

Tsy tana ny ahiahy...

Nivarahontsana ihany indray anefa i Mahajamba iray vohitra tamin’ny faha-25 desambra teo ! Tsy tafaverina tao an-tranon-draiaman-dreniny indray ny zazalahy 14 taona, zanaky ny mpiasa nipetraka tao amin’ny tobin’ny Aqualma Besakoa, nirahana nividy zavatra... Telo andro vao hita tany anaty kirihitra ny razana izay novonoina tamim-pomba nahatsiravina. Nopasahana ny taolan-dohany nakana ny tao anatiny, noborina ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony ary nisy faritra nolavahana ihany koa ny fony !

Miandry vahaolana haingana avy amin’ny manampahefana ny vahoakan’i Mahajamba manoloana izao raharaha izao. Fanao tao amin’io toerana io hatramin’izay ary tsy nilana alàlana avy amin’ny fitsarana akory anefa ny fisavana isan-trano isaky ny misy fahaverezan-javatra ao amin’ny orinasa, nefa nolavina izany tamin’ity indray mitoraka ity na teo aza ny fitakian’ny mponina...

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS