Hery Rafalimanana : Fanatsarana ny tanànan’Antananarivo
Efa vonona ny famatsiam-bola
mercredi 5 décembre 2007 |
| 338 visites
Miroso amin’ny fampahafantarana ireo tetik’asa mbola hotanterahina ny fampielezan-kevitry ny kandida Hery Rafalimanana ka nanambarany fa maro ny asa vita efa iaraha-mahita saingy efa mipetrapetraka koa ny famatsiam-bola hanaovana asa vaovao harahana famoronana asa ho an’ny tanora tsy an’asa eto an-drenivohitra. Teny Anosipatrana, anatin’ny boriborin-tany voalohany no nisantarana ny fampahafantarana ity famatsiam-bola efa vonona ity ka nanambaran’ny kandida fa tsy ampy ny rano fisotro eny (...)