Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 08h38
 

Malagasy

Hery Rafalimanana : Fanatsarana ny tanànan’Antananarivo

Efa vonona ny famatsiam-bola

mercredi 5 décembre 2007 | Hery A.

Miroso amin’ny fampahafantarana ireo tetik’asa mbola hotanterahina ny fampielezan-kevitry ny kandida Hery Rafalimanana ka nanambarany fa maro ny asa vita efa iaraha-mahita saingy efa mipetrapetraka koa ny famatsiam-bola hanaovana asa vaovao harahana famoronana asa ho an’ny tanora tsy an’asa eto an-drenivohitra. Teny Anosipatrana, anatin’ny boriborin-tany voalohany no nisantarana ny fampahafantarana ity famatsiam-bola efa vonona ity ka nanambaran’ny kandida fa tsy ampy ny rano fisotro eny an-toerana ka tsy maintsy hatao laharampahamehana rehefa lany ny tenany. Torak’izany ny EPP, ny fanasan-damba sns...Niditra elakelantrano nitety ireo tokantrano maro ny kandida ny tapakandro maraina, hatreny Ilanivato Ampasika, Ampefiloha Ambodirano sns... Ny tolakandro kosa dia nitety ny firaisana fahatelo ny kandida sy ireo vahoaka maro mpanohana azy ka teny Ambohitrakely no nanombohana azy, ary nohamafisiny hatrany ny ampahan’ireo asa mbola hataony hanatsarana ny tanànan’Antananarivo sy ny fahavononan’ny famatsiam-bola izay midika fa efa vonona koa ny tetik’asa. Taorian’izay dia nidina teny Mahamasina ary nihaona tamin’ireo fikambanana TIM sy ireo vahoaka maro. Tsikaritra amin’izao herinandro farany izao fa fefika olona hatrany ny faritra lalovan’ity kandida natolotry ny TIM ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS