Fanafihana tany Iakora
Dahalo 5 maty voatifitra tany anaty lava-bato
mardi 8 janvier 2008 |
| 620 visites
Dahalo dimy maty voatifitra, basim-borona telo sy bala enina no tratra: izay no vokatry ny fifandonana teo amin’ny dahalo sy ny miaramila avy ao amin’ny DAS (Détachement autonome de sécurité) tany amin’ny tanànan’Ambondro-Ivory, kominina Analavoka, distrikan’Iakora, faritra Ihorombe, ny zoma lasa teo, tamin’ny 3 ora tolakandro tany ho any.
Araka ny vaovao azonay avy any an-toerana, dia tamin’ny alin’ny alakamisy 3 janoary, tamin’ny 12 ora tany ho any no nanafika tao amin’ny valan’omby tao Besoa, (...)