Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 15h33
 

Malagasy

Kaominina sy ny Jirama

Hita ny marimaritra iraisana

mardi 8 janvier 2008 |  379 visites  | Naivo kely

Tsy misy tsy vitan’ny fifanatonana tokoa ny zava-drehetra, ary porofon’izany ny naha-voavaha ny olana teo amin’ny Jirama sy ny kaominin’Antananarivo renivohitra. Naverin’i Jirama amin’ny laoniny ny rano teny amin’ny paompy sy teny anivon’ny sekolim-panjakana izay notapahiny, ary ireo andrin-jiro manazava ny làlana rehetra ihany koa dia nahazo hazavana indray ankehitriny. Io no vokatra tsara nataon’ny tompon’andraikitry ny kaominina sy ny teo anivon’ny Jirama omaly. Misy ny vola mifampiditra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ka tamin’ny alàlan’io no nijerena ny fifandaminana. Tao anatin’io fifanarahana io ihany koa no nahalalana, fa hanefa ny volan’ny Jirama amin’izay ny kaominina manomboka ity volana janoary ity, ary toy izany koa ny Jirama. Vokatry ny tsy fahatafitan’ny serasera no antony nahatonga ny fanapahana hoy ny ben’ny Tanàna eto an-drenivohitra, Andry Rajoelina, ka mety hampiravona ny ahiahy momba ny olona nety nanome baiko. Raha ny eo anivon’ny kaominina manokana dia manomboka izao ny asa, hoy ingahy ben’ny Tanàna, ary hisy fijerena ny fanampiana ireo paompin-drano izay hita fa tsy ampy eto an-drenivohitra, ary toy izany koa ny fanadiovana sy ny tsena. Izay nampanantenaina tsy maintsy tanteraka, hoy i Andry TGV, ka manantena ny fifanomezan-tanana eo amin’ny mpitantana sy ny vahoaka, mba ahafahana manatontosa ireo asa goavana ho atao eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS