Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »
-
Miha-maizina ny lanitra eo amin'ny sehatry ny politika eto Madagasikara. Maha-tsinjo izany ny mpitondra fanjakana, ary miditra eo amin'ny fisakanana ny afo tsy hidodaka.
Mahatsapa ny rehetra fa pitik'afo dia hampipoaka ny vaja. Tsy azo tsinotsiniavina ny fitarihan'ingahy Henri Lecacheur vahoaka teny amin'ny kianjan'ny 13 mey roa andro izay. Matoa nosakanana, dia atahorana izay, na dia eo amin'ny sehatry ny fandriam-pahalemana fotsiny aza.
Misy hifandraisany amin'ny fanakanana an'i Rossy tsy (...)
-
Hisy tantara indray ve ny kianjan'ny 13 Mey? Taorian'ny fitsofan'ny mpanao politika iray ny hitarihany vahoaka etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey, dia nipoitra naneho ny heviny ny ankamaroan'ny mpanao politika sy ny olon-tsotra. Aleo hiakatra kianja izay sahy, fa vonona izahay hanohana azy, hoy ny loholona Vaovao Benjamin.
Ny vahoaka sendra ny mpanao gazetinay kosa dia maro no nilaza fa hopetihina indray ve ny firenena? Aoka ahay haka lesona tamin'izay niseho, fa tsy atao tendrim-po tsy mba (...)
-
Vonona ny mpanohitra hidina an-dàlam-be. Tsy mila maka alàlana fa avy hatrany dia vavany. Ny fasahian'ny vahoaka hanaraka sisa andrasana.
Manakaiky ny volana Mey izay fotoana manan-tantara eto amin'ny firenena. Tsy zoviana amin'ny maro ny zava-nisy teto hatramin'izay. Ny etsy amin'ny lapan'ny tanàna teo aloha aza zary niofo ho kianjan'ny 13 Mai. Mpitondra maro no nahazo seza tampoka noho ny fisian'ny tolona teo, ary tsy vitsy ihany ka ireo tafiditra am-ponja noho ny fikirizana hampiasa ity (...)
-
Lalao no nandrasana, nefa fihetseham-bahoaka no hita. Mitety firenena maro ilay afo « Olympique » izay noheverina fa ahafaly ny vahoaka maro eran-tany, saingy fanoherana hatrany no hita. Raha ny tao Parisy, renivohitr’ i La Frantsa no asian-dresaka, dia efa maty 20 minitra mihitsy ny afo vao narehitra indray. Tsy tokony ho faty anefa ny afo tahaka itony.
Fanoherana ny tsy fanajana ny zon’olombelona ataon-dry zareo Sinoa no anton’izao. Mpitandro ny filaminana maro no miaro ity afo ity tsy ho (...)
-
Alamino fa tsy ahitana fahombiazana. Tsinjon’ny maro fa misy sehatra tsy milamina eto amin’ny fitantanana ny fiainam-pirenena. Dia ireny hita ireny ny fisamborana manamboninahitra maro. Nambara fa mikotrika fanonganam-panjakana ry zalahy ireto.
Ny ao anatin’ny antoko matanjaka, dia io iarahana mahita io ny afitsoky ny sasany, fa toa mivadibadika tahaka ny lela may. Rehefa tsy mahazo ny fankatoavan’ny birao politika dia mandeha milatsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina raha resaka fifidianana no (...)
-
"Tsy misy olona tsy azo soloina, fa ny endrika sy ny fiasa angaha no mety hanavao ny maro. Ampy izay ny nitondrako ny antoko", hoy i Moxe, "fa omeko olon-kafa ny fanilo".
Antoko manana olom-boafidy tsy vitsy ry zareo TEZA, izay midika fa tsy antoko tsy mahefa eo amin'ny firenena. Maro ireo antoko taloha no nampita ny fahefana amin'ireo mpikatroka tao aminy, saingy tsy vitsy koa ireo mpitarika mbola midongy seza.
Tsy lafiny fiainana antoko ihany no ahitana izany fa eo amin'ny sehatra maro (...)
-
Raikitra ny fitetezam-paritra hanazavana ny sain’ny vahoaka amin’ilay rafitra tetezamita. Rafitra izay heverina fa handraisan’ny ankolafin’olona maro anjara. Io tetezamita ihany koa no hametraka ny fanjakana manaraka eo.
Saika ireo olona efa very toerana milona ao anaty mpanohitra no hita miangavy ny hidirana ao anatin’io tetezamita io. Tsy ratsy ny hevitra apoitrany, satria ny fahorian’ny vahoaka ankehitriny no antony hitakiana izao fepetra izao. Manana ny tetika hialana amin’io fahantrana io (...)
-
Be fihevitra fa sarotra tontosaina. Io no azo hitsikerana ny fivoriana izay mateti-pitranga teto Madagasikara. Asa na ny ilay finihavana no tsy ampy na sarotra tontosaina ilay fiketrehana natao. Raisina amin’io ilay tetika politika notontosain’ny antoko iray teto Madagasikara. Antoko maro no nandray anjara tamin’io tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina. Aiza ho aiza izao ilay vokatry ny fivoriana natao iny, raha ity sehatra ity no jerena ?
Nisy indray ny (...)
-
jeudi 3 avril 2008 |
Hery A.
| 1064 visites
Miparitaka eto an-drenivohitra indray ny trondro maloto amin’izao fotoana izao. Saika ny faritra rehetra, na mihaja na tsia no ahitana ireny trondro ireny. Azo antoka avy hatrany fa tena maloto ireo trondro, indrindra izay tetsy Anosibe omaly izay. Itangoronan’ny lalimanga ny entana. Tsy miafina ny maha trondro maloto azy, ampian’ny filazan’ny mpivarotra hoe trondron’Itasy sy Ambatondrazaka io. Tsara anefa ny mamaritra fa ny trondro avy any Itasy sy Alaotra dia miavaka. Tsy misy trondro madinika (...)
-
Tetika hafa kely indray no endrim-panoherana eto. Niparitaka teto andrenivohitra ny trakita andro vitsy lasa izay. Ny tsikera ny fitondrana ankehitrio no hita taratra ao anatin’io, ary filoham-pirenena teo aloha, eto an-tanindrazana, no nanao sonia izany.
Raha nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly ireto vondron’ny mpanohitra ireto, dia nanamafy fa miankina amin’ny fandraisan’ny vahoaka ny hevitra naparitaka ny tohin’ny hetsika. Gaga ny maro, satria nahery fihetsika ihany ireto mpanohitra ireto, (...)
-
Tsy maintsy atomboka ny fivoriana izay efa nokasaina atao. Io no fantatra tamin’ny fanehoan-kevitry ny mpikambana Monima, raha voalaza fa tsy navela hanao ny fivoriany ity antoko ity.
Tompon’antoka amin’ny filaminana izahay, hoy ireo mpikambana, ka tsy tokony hidiran’ny fanjakana lalina ny fivoriana anaty trano tahaka izao. Ny fanatarena voninkazo eny amin’ny tsangambaton’i Dada Monja no tsy azo natao koa nahoana no mbola hiniana sakanana ny fivorian’ny antoko anaty efitrano mihidy ? Ny fitondrana (...)
-
Misokatra ny varavarana. Feo efa fandre hatry ny ela io. Mbola naverin’ny filoha Ravalomanana io nandritra ny fotoam-pivavahana natao tetsy Analakely ny sabotsy lasa teo. Fankalazana ny datin’ny 29 Martsa io.
Raha misokatra ny varavarana, dia midika io fa tsy misy tokony ahilika eo amin’ny asa fanarenana an’i Madagasikara. Misy tsiahy tiana hapetraka anefa momba ireo olona heverina fa tokony hifanome tànana amin’izao asa fampandrosoana tiana hapetraka izao. Toa iniana nampanginina tanteraka ny (...)
-
Mandeha ny fisamborana manamboninahitra. Tsy vao izao fa efa ela, hoy ny mpandinika, ary maro no efa nahiditra am-ponja. Fikenokenonana hanongam-panjakana no fototry ny fisamborana.
Andraikitra lehibe ho an'ny firenena ny fitandroana ny filaminana, indrindra ny maha-iray tsy mivaky ny firenena. Ezaka lehibe heverina fa tsy azo hamaivanina ny fepetra henjana ho an'ireo minia te-handrava ny filaminana eto.
Mipoitra indray ity fanonganam-panjakana ity tao ho ao. Tsy ny mpanao politika (...)
-
Faniriana ny an’ny mpanohitra fa ny lahatra an’ny mpitondra fanjakana. Tsy mitsahatra indray ny fangatahana ny rafitra teteza-mita ataon’ny mpanohitra tao ho ao. Isan’ny mangataka io ny Profesora Zafy Albert sy ny namany.
Handamina ny faritra anatin’ny firenena no tanjona, saingy tsy hangataka toerana velively izahay mpanohitra fa mila rafitra miova. Ny mpanohitra manontolo no mitaky io, ary mbola fitakiana ihany koa ny momba ny fampihavanam-pirenena. Re anefa tao anatin’ny andro vitsy izay, fa (...)
-
Mandeha ny fotoana, miandry fiovana ny vahoaka. Vanim-potoana nambara ho taonan'ny asa ity taona 2008 ity. Mihazakazaka toy ny segaondra ny fametrahana ireo rafitra isan-karazany, na io fidiana mivantana, na tendrena ihany koa. Izay mahasoa ataon'ny mpitondra, hoy ny hafa.
Telo volana sahady izay no lasa nandritra ity taona vaovao ity. Toa tsy mbola hita taratra ny fiovana nandrasan'ny vahoaka. Na ilay asa heverina fa tsy maintsy atao aza toa mbola tsy nitsiry.
Ny vidim-pianana (...)
-
Vita ny fety, afa-boly ny rehetra. Samy niaina tao anatin’ny fety ny vahoaka malagasy rehetra, ary samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay.
Nahavory vahoaka ny fialam-boly rehetra, ary hita fa tena nifaly ny isam-batan’olona. Midika io fa mila miala voly ny rehetra rehefa reraky ny adin-tsaina isan’andro vaky izao. Lany ny vola ho an’ireo nandray vola mialoha, satria ny fety tsy azo atao ambanin-javatra. Ny sakafo ihany koa tsy atao latsa-danja. Vita iny ny fety fa hanao ahoana indray ny anio (...)
-
Feno ny vokatra, nioty izay nafafy ny kandida tsirairay. Vita iny ny fifidianana izay ho mpanolontsaim-paritra ary manomboka ny fandraisana andraikitra ho an’itony olom-boafidy itony.
Mety ho mahafaly ny mpitondra ny nandre ny salam-pahavitrian’ny mpifidy, sy ny vato azon’ny antokony, saingy misy afo tsy maty mety handoro ny firenena mila dinihana haingana ao. Ny tarehi-marika mitoetra, fa ny hitan’ny mason’ny vahoaka tsy azo kosehana.
Tsy vitan’ny fandresena tamin’ny latsa-bato ny fiai nana. (...)
-
Tsy vitan’ny fambolena ny fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka. Firy taona izay nefa toa mbola izao ihany ny mahazo ny tantsaha malagasy ? Miakatra ny vidin’ny solika, ary hanaraka azy io ny fiakatry ny vidim-piainana.
Manoloana ny tenin’ny Praiministra lehiben’ny Governemanta milaza fa tokony hilofo amin’ny fambolena isika, mba hialana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, dia gaga ny maro mandre izany. Toa tsy misy salotraina mba hiarovana ny fiainan’ny mponina intsony. Ny saran-dàlana (...)
-
Feno tanteraka ny fahefana eo ampelan-tanan’ny antoko matanjaka dia ny TIM izany. Rakotra azy avokoa ny ambaratongam-pahefana rehetra, eny fa na eny anivon’ny fokontany sy ny fiangonana aza.
Inona intsony ny sakana mbola tsy afahana miroso mametraka ny rafitra hampandeha ny MAP? Miandry ny fifidianana izay ho loholona sisa dia feno ny fepetra rehetra, ary atomboy ny asa isaky ny faritra fa miandry ny vahoaka. Manjaka tokana ny TIM. Resy ny mpanohitra noho ny tsy fahitana azy ireo intsony any (...)
-
Niakatra indray e. Ny inona ? Na efa mamokatra solika aza isika tsy maintsy manaraka ny tsena iraisam-pirenena, ny sondro-bidy any amin’ny vahoaka.
Tsy ny fiakaran’ny vidin’ny solika omaly alina no nahataitra ny maro, fa ny mety ho fiantraikany any amin’ny fiainana andavan’andro. Mahatratra 160 ariary ny sondro-bidy hita teo amin’ny lasantsy tsotra sy ny misy firaka, raha 190 ariary kosa teo amin’ny Gas Oil. Ny fiara lehibe mpitatitra olona sy entana no tena niantraikan’ny sondro-bidy betsaka (...)