Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »
-
Vao manomboka ny taona dia efa zava-doza no miandry ny mponina eto an-drenivohitra amin’ny fanampahan-kevitra noraisin’ny Jirama nanapaka ny rano sy ny jiro amin’ireo toeram-panjakana rehetra tsy nahefa izany, ka isan’io ny paompim-panjakana sy ny sekolim-panjakana eto amin’ny tanàna. Tsy hitanisa ny taona sy ny volana voalaza fa nandoavana izany vola izany izahay fa ny voalaza dia efa nandefa taratasy fampilazana mialoha ny Jirama ho fitakiana io vola io. Ho an’ny mpandinika dia hizaka ny hazo (...)
-
Dia re tao anatin’ny kabarin’ny filoham-pirenena omaly teny Iavoloha indray ny fanazavana fa ny 75% ny Malagasy dia miaina ao anatin’ny fahantrana, ary mazana ireo tantsaha maro an’isa no voa amin’io. Mila hatsaraina ny toe-tsaina, fa raha tsy miova io dia tsy misy fampandrosoana ho vanona. Tanora 65% no afaka hiasa eto hoy ny filoha omaly . Maro an’isa ireo tanora ireo, ka izay no tsy maintsy ilàna fiheverana haingana mba tsy hidonanam-poana fa hamokatra ho an’ny tanindrazana. Niompana betsaka (...)
-
vendredi 4 janvier 2008 |
Naivo kely
| 675 visites
Anio ny hanao ny fifampiarahabana tratry ny asaramanitra ny filohan’ny Repoblika sy ny vahoaka Malagasy. Fihaonana izay fanao isan-taona, ary mbola hanomezana toro-marika ihany koa ireo ben’ny tanàna 1 547 manerana ny nosy. Raha ity farany no asian-teny dia hita fa tsara ny marimaritra iraisana eny anivon’ny kaominina mba hifandanjan’ny hery, tsy eo amin’ny resaka politika io, fa eo amin’ny fitsinjarana ny fanampiana sy ezaka isan’ambaratongany. Ny fanjakana rahateo efa nilaza fa vonona (...)
-
jeudi 3 janvier 2008 |
Hery A.
| 814 visites
Hatramin’ny niovan’ny fitondrana eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra farany teo dia tsikaritra fa miova loko ny tanànan’Antananarivo. Miha takona ilay lokon’ny Kaominina mavo sy manga hatramin’izay, eny hatramin’ny nitantanan’ny olon’ny AKFM KDRSM ny tanàna. Tsy nisy naharatsy an’io loko io izay nokojakojain’ny ben’ny tanàna sy PDS nifandimby.
Nampakatra avo ireo lokon’ny kaominina ireo aza ny nipetrahany amin’ny vola malagasy ambony indrindra. Ankehitriny dia toa hikoro ireto loko ka hiofo ho (...)
-
mercredi 2 janvier 2008 |
Naivo kely
| 738 visites
Rehefa vaovao tahaka izao ny taona dia ny firariantsoa ataon’ny rehetra ny hoe enga anie mba ho lasan’izay ny ratsy rehetra, ary aoka mba hiova tahaka ny taona vaovao ny fomba fisainana . Raha ity toe-tsaina mila miova ity no jerena dia saika natao litania teo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka io ny faramparan’ny taona teo. Ny filohan’ny repoblika raha nikabary dia nanipika io tokony hisian’ny fiovana eo amin’ny rehetra io, ary ilaina ny fiarahan’ny rehetra miasa mba ahafahana tena mampandroso ity (...)
-
Ny taona no hifarana fa ny fitakiam-bahoaka tamin’ny fifidianana izay navelan’ny taona 2007 mbola mitohy. Tsy vitsy ireo kandida nilatsaka ho ben’ny tanàna no nitaraina fa nivadika tampoka ny vokatra raha vao namoaka ny didy ny teo anivon’ny tribonaly administratifa ka ny antokom-panjakana izay resy no zary nibata ny fandresena tamin’ny kaominina maromaro. Nihetsika nanohitra izany izay nihevitra ho manana ny marina. Ireny efa norenesin-tsika ireny ny fanoherana nataon’ny mpomba ny kandida izay (...)
-
samedi 29 décembre 2007 |
Naivo kely
| 855 visites
Mirotsaka tanteraka ny orana eto an-drenivohitra sy ny manodidina izay hita fa nahafaly ny tantsaha, teo am-piandohana, saingy dibo-drano kosa ny tanimbary tato afara. Alohalika ny ny rano eny amin’ny arabe, ka na dia teo aza ny ezaka nanadiovana ireny lakan-drano ireny dia tsy nahasehaka ny fivoahan’ny ranon’orana izay hita fa be loatra izany. Handao tsy ho ela ny taona 2007 isika izay tsy vitsy no manambara fa lasan’iny rano be iny ny ratsy rehetra ary tso-drano ahitantsika ny soa kosa ny (...)
-
vendredi 28 décembre 2007 |
Naivo kely
| 633 visites
Takina tanteraka ny hetsiky ny mpanohitra teto Madagasikara nandritra ity taona madiva hivalona ity, na dia teo aza ny sehatra nahafahana nandrombaka fahefana tamin’ny alàlan’ireo fifidianana maro izay niseho teto. Tsy ny hevitra naroson’izy ireo no tsy misy fa ny hery tsy mitovy nanehoana hevitra angaha no tsy ampy ? Hita fa nanjakan’ny fitondrana tanteraka ny sehatra rehetra ka na maro aza no tsy nankasitraka ny fitsapan-kevi-bahoaka, dia naroso ihany ary iny niarahana nahita iny ny vokany. (...)
-
Hivalona tsy ho ela ny taona 2007 izay taona heverina fa hanombohan’ny fananganana ny rindrina sy ny tafo ao anatin’ny 5 taona manaraka hitondran’ny filoha amperin’asa ny tany sy ny fanjakana. Mandeha ny ora sy ny fotoana satria vidiana lafo ny iray segaondra, ary taona efatra indray sisa hananana amin’ity dimy taona manaraka ity. Samy namisavisa avokoa ny rehetra hoe manomboka ve io fananganana ny rindrina io sa mbola mampiofana ny mpanao trano no natao ? Ny fametrahana ny rafitra (...)
-
samedi 22 décembre 2007 |
Naivo kely
| 1215 visites
Tsy handova zavatra tsy mety ny ben'ny tanana vaovao. Midika io fa izay vandana dia kary ary ny raharaham-pirenena tsy hanankavana. Nivoaka ny ampamoaka tao amin'ny kaomina Antaninarivo renivohitra manoloana ny fomba fitantanana ara-bola tao. 8 Miliara ariary latsaka kely ny trosa tsy voalohan'ny kaominina ho an'ireo mpandraharaha natanteraka asa maro tao anatin'ny valo volana. Tsy misy intsony ny Gasoil hanala ny fako izay mitentina 800 Tapitrisa mahery tokony haloa amin'ny SAMVA, kanefa (...)
-
vendredi 21 décembre 2007 |
Naivo kely
| 1071 visites
Entitra ny filoha Ravalomanana omaly raha nilaza ny heviny momba ny filazana fa tezitra i Antananarivo, ka ny latsa-bato farany teo no nanehoany izany. « Raha faly izy dia faly, raha tsy faly izy dia tsy faly fa tsy ahafaly na ahatezitra ny vahoaka ny ataoko fa ny hampandroso ny fiainany ». Teny izay heverina fa manandanja lehibe manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny io, satria misy ny handika fa tsy miraharaha izay feon’ny vahoaka izany ny filoha fa ny maika aminy dia ny fampandrosoana? (...)
-
jeudi 20 décembre 2007 |
Naivo kely
| 1478 visites
Maniry ny hiparitahan’ny fikambanana TGV sahady ny faritra maro na dia hita aza fa iray volana monja no tena nahazo laka teto amintsika io fikambanana io. Ireo no tsapa amin’ny fampiasan’ny mponina ivelan’Antananarivo ilay tanana manao « V » izay hambara ho mariky ny fandresena. Tsy avelanay hijanona eto an-dRenivohitra ihany ny TGV fa ho resena lahatra ny mpamorona azy mba hiparitahany manerana ny nosy. Saika re matetika io taorian’ny nahazoany ny fandresena teto Iarivo, ka zary nifanotofan’ny (...)
-
mercredi 19 décembre 2007 |
Naivo kely
| 822 visites
« Nogadraina enim-bolana nefa nohafahana madiodio ramatoa Ialy Rakotoniaina, izay midika zavatra maro amin’ny mpikambana ao anatin’ny Tambatra ». Io no nambaran’ireo birao ao anatin’io antoko iray izay notsipihin’ingahy Beza Seramila fa rehefa tsy hita popoka ny ben’ny tanàna teo aloha Pety Rakotoniaina, dia nosamborina ny vadiny. Manana andraikitra goavana izany raim-pianankaviana izany, ka iny karazan’ny nitolo-batana iny. « Tsy nohafahana anefa i Ialy vadiny rehefa tratra i Pety, fa mbola (...)
-
Vao nilatsaka ny orana omaly dia efa dibo-drano sahady ny faritra maro teto Iarivo noho ny fahatsetsenan’ny tatatra mitondra ny rano maloto. Io dia vokatry ny havoretrana izay ataon’ny olona sasany manary fako any anaty lakan-drano ary dia io iarahana mahita io avy hatrany ny vokany. Vanim-potoana fiakaran’ny vokatra toy ny manga sy ny letisia izao, ka mahatratra 700 taonina isan’andro ny fako eto an-drenivohitra izay mitombo ny havesatra rehefa milatsaka toy izao ny orana. 500 taonina kosa ny (...)
-
Nanakoako ny fanazavan’ny filoha Ravalomanana farany teo tany Toamasina, izay nilazany fa ray aman-drenin’ny malagasy rehetra izy na mpanohitra na ihany koa mpanohana, ary hanampy izay ben’ny tanàna tsy ankanavaka lany eo. « Maika ny fampandrosoana ary tsy ho lany andro hifanasa vangy eto isika », hoy izy. Miteny ho azy io voalazan’ny filoha Ravalomanana io, ka hisintonana ny sain’ny maro raha nanambara nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny fa tsy hisy faritra handroso raha toa ka tsy ny TIM (...)
-
samedi 15 décembre 2007 |
Naivo kely
| 1159 visites
Vita iny fifidianana izay ho ben'ny tanana teto Madagasikara ka ny alarobia ho avy izao no hamoahana ny vokatra amin'ny fomba ofisialy. Ny fanovana tsy olon'antoko no niantefan'ny safidin'ny maro raha Antananarivo renivohitra no jerena. Io fanovana no niangan'ny ady hevitra maro isan-karazany, ka tao no nanambara fa mila tanora vaovao afaka hitondra ny baolina ny tanana ka natolotra an'i TGV ny faneva. Tsy vitsy no nisaina fa kapoka ho an'izao fitondrana izao ny naharesy ny olon'i TIM, (...)
-
vendredi 14 décembre 2007 |
Penjy R.
| 891 visites
Mitondra henatra ho an’ny firenena ny fandrenesana ny hala-bato nataon’olona teto an-drenivohita ny alarobia lasa teo izay hita ankarihary, toy ny fahitana biletan’ny kandida any anaty valopy, ny fandrotsahan’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato bileta maro ao anaty vata, sy ny fividianana olona tsy amin-tahotra intsony. Tsy takona afenina imasom-bahoaka ireo fihetsika ireo, izay heno fa efa nandraisana fepetra manokana ny olona nahavita io halatra ho an’ny kandida iray io. Takian’ny maro ny (...)
-
jeudi 13 décembre 2007 |
Naivo kely
| 1076 visites
Tsy ofisialy ny vokatra hambara eto, saingy azo hitarafana sahady ny mety ho tohin'ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Tsy hisy fiovana firy raha ny tarehi-marika azo tamin'ny sivy ora alina no asian-dresaka izay itarihan'ny kandida Andry TGV eto an-dRenivohitra. Raha ireo elanelan'isa kirakiraina eto am-pelatanana dia ho sarotra ny ahatratraran'i Hery Rafalimanana izay atolotry ny TIM io isa io. Nihoraka ambony ihany ireo mpankafy ity kandida ity satria tojo amin'ny tanjona niriany, (...)
-
mardi 11 décembre 2007 |
Penjy R.
| 696 visites
Rahampitso no hiatrika ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna ny vahoaka Malagasy, ary ity no fifidianana heverina fa manakaiky ny vahoaka indrindra. Mialohan’ny andro rahampitso anefa dia manana fotoana hieritreretana tsara ny vahoaka tamin’ny fandaharan’asa naroson’ny ireo mpifaninana ho ben’ny tanàna sy mpanolontsaina miaraka aminy, satria ny vato iray harotsakao rahampitso no antoky ny fampandrosoana ny tanàna misy anao. Safidy masina io, ary izay no ilaina ny rehetra mba samy ho mailo manoloana (...)
-
lundi 10 décembre 2007 |
Penjy R.
| 624 visites
Hiatrika fifidianana indray isika vahoaka Malagasy ny alarobia izao, izay fifidianana heverina fa manakaiky indrindra ny vahoaka, ary ho azo antoka fa ho maro ny mponina no hanefa ny adidiny.
Ahiahy anefa no mameno ny sain'ireo kandida sy ny mpanaradia azy noho ny mety hisian'ny hala-bato amin'ny endriny samy hafa, izay miainga amin'ny fividianana ny vaton'ny mpifidy, ny fitaomana olona avy amin'ny faritra samy hafa handatsa-bato ho an'ny kandida iray sy ny fanomezana ordonasy maro, mba (...)