Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 18h23
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Mibaribary ny fahantrana

    samedi 23 février 2008 | Naivo kely |  673 visites
    Soa fa nisy ny rivo-doza. Io no mba vetsoventson’ny mponina izay notolorana fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ny alakamisy teo. Tsy ny rano miakatra na ny fananana potika no mahafaly ny sasany, fa ilay vary sy vola kely azon’izy ireo. Vary sy vola isan-tokantrano no zaraina, ary eo ihany koa ny savony sy ny fanafody. Tokantrano maromaro no dibo-kafaliana nandray izany. Tsy nisalasala izy ireo niteny imasom-bahoaka fa mba hihinam-bary indray. Rehefa nozohiana io teny io, dia tsapa fa (...)
  • Andrianiko ny teniko

    vendredi 22 février 2008 | Naivo kely |  898 visites
    "Teny malagasy, teny ibeazako, teny ahombiazako". Io no lohahevitra nentina nankalaza ny andro eran-tany ho an'ny tenin-dreny teto Madagasikara omaly. harena, reharehan-tsika ny fampiasana io teny Malagasy io, satria vahoaka mahatratra 18 tapitrisa no mampiasa azy. Firenena mahaleotena isika manana azy, ka tsy tokony ho atao valalan'amboa ka isika tompony indray no andeha tsy ho tia izany. "Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa kosa feheziko". Teny fandre matetika io, hilazana fa tsy ho atao (...)
  • Samy mandeha samy mitady

    jeudi 21 février 2008 | Naivo kely |  744 visites
    Tsy azo antenaina ny hisian'ny marimaritra iraisana eo amin'ny sefom-pokontany sy ny ben'ny tanana eto andrenivohitra. Samy malailay fonosona amin'ny mety hisian'ny fiaraha miasa ny roa tonta. Ny sefom-pokontany mbola tafajanona amin'ny toerany, dia mbola manantena ny hiverina eo rehefa tendren'ny Préfet de Police. Ny ben'ny ny tanana kosa dia milaza fa mipetraka ao amin'ireto olona notendrena teo aloha ireto ny fijerin'antoko. Isan'io ny nilazany fa raha vao lany ny tenany, ka tokony hisy (...)
  • Traboina i Madagasikara

    mercredi 20 février 2008 | Hery A. |  1048 visites
    Ny eto anivon-tany no tena nitoeran’ny rivo-doza « Ivan », naharitra fotoana ela indrindra. Nolalovany i Sainte Marie, nametrahany takaitra tao anatin’ny ora vitsy. Nidirany i Fenoarivo Atsinanana, nataony najifa ihany koa. Na dia nihena aza ny heriny rehefa tafiditra taty amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Rakotry ny rivotra sy ny ranobe ny tanimbary. Tsy namelany koa ny faritra Menabe ka nahatonga ny olona an’arivony ho traboina. Omaly tontolo dia toa tsy nihetsika firy i « Ivan » fa (...)
  • Injay ilay feo

    mardi 19 février 2008 | Naivo kely |  339 visites
    Mateti-pihavy ny loza voajanahary eto Madagasikara, satria nosy isika. Ny vanim-potoana toy izao mazana no tena famelezan’ny sikilaonina, ary tanàna maro no rava ao anatin’ny indray mipi-maso. Ny manarina ny fahavoazana kosa anefa tsy vita iray volana. Hita sy tsapa ireo amin’ny ezaka ataon’ny mponina sy ny fanjakana taorian’ny rivo-doza « Fame » teo. Dia hanarina ny voka-dratsin’i « Ivan » indray izany, na dia hita fa mbola tsy mikatona aza ny fery navelan’ny teo aloha. Ny fifidianana anefa dia (...)
  • Vola baoritra

    lundi 18 février 2008 | Penjy R. |  317 visites
    Nanaitra ihany ny tenin’ny mpanao politika iray omaly nilaza fa tsy ny fambolena sy ny fiompiana intsony no ahavelona eto Madagasikara ? Nanaitra ny rehetra, satria toa mitombina nefa maha-kely risi-po ny vahoaka. Nohazavainy fa vola mitentina 600 miliara no natobaka tao amin’ny PSDR mba hanaovana lakan-drano sy barazy hamokarana betsaka ho amin’ny fambolena, saingy toa vao mainka miha-fadiranovana ny tantsaha mpamboly any ambanivolo. Vitsy no mba tafita fa voron-kitsay hatrany no fiainan’izy (...)
  • Goragora

    samedi 16 février 2008 | Naivo kely |  703 visites
    Lasa resabe any ivelany ankehitriny ny momba ilay zazavavy 11 taona niditra an-tsokosoko tao anaty fiaramanidina hiondrana tany ivelany. Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ve dia mbola ahitana toe-javatra tahaka izao ? Ny gazety iray atsy La Réunion « JIR » dia nilaza fa atao inona ireo fisavana maro be, izay manomboka eo am-pidirana, ka hatrany anaty fiaramanidina ? Tokony hipetraka foana, hoy ity gazety ity, ny ahiahy amin’ny mpandeha rehetra. Tao anatin’ny vanim-potoana nifanesy izay, dia (...)
  • Sisi-bola

    vendredi 15 février 2008 | Naivo kely |  625 visites
    Toa tsy malaza ny hirany raha vao tsy manao sisi-bola manao « matraquage » eny anivon’ny haino aman-jery ny mpanan-kanto. Isan’ny feo manelingelina ny sofin’ny maro ny mandre io fitarainana io. Fihetsika heverin’ny hafa ho kolikoly ny fidirana amin’io, saingy hita kosa fa mipetraka ara-dalàna eny anivon’ny haino aman-jery ny fandraisana izany vola izany. Diso ve ny fanaovana ity « matraquage » ity ? Isika rehetra no mamaly azy, fa raha ny hita aloha, dia tsy midika velively fa halaza ilay mpihira raha (...)
  • « Moa ka tsy izany va ? »

    jeudi 14 février 2008 | Hery A. |  843 visites
    Entin’ny antoko TIM ao Vakinankaratra ao ho eo anivon’ny fivoriana hatrany ny lahatsoratra an-gazety rehefa tsy mamalifaly azy ny lahatsoratra. Tao Antsirabe moa dia naharihary ampahibemaso ny gazety TRIBUNE . « Maninona ny sariko no tsy navoaka ? hoy ny olon’ny TIM. Torak’izany koa ny tao Antanifotsy. Nambaran’ny lahatsoratra tamin’izany moa fa « naloan’ny mponina ny antoko TIM» tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teo. « Mamely anay io », hoy ny feo nalefan’ny mpanao politika sasany. « (...)
  • Variana ny depiote

    mercredi 13 février 2008 | Naivo kely |  514 visites
    Mbola ao anatin’ny fialan-tsasatra tanteraka ireo depiote eny Tsimbazaza amin’izao vanim-potoana izao. Mandra-piandry ny fotoam-pivoriana voalohany ny volana mey ho avy izao nefa dia manana andraikitra goavana, dia ny fidinana eny anivon’ny vahoaka ireto depiote ireto. Amin’izany no anaovany ny tatitra amin’ny vahoaka isaky ny faritra naha-voafidy azy. Toa tsy handrenesam-peo anefa itony depiote itony amin’ny fanaovana io tatitra io, izay làlana iray ahafahan’ny vahoaka maneho ny hetahetany. (...)
  • Aza atao valalan’amboa

    mardi 12 février 2008 | Naivo kely |  713 visites
    Ny alakamisy ho avy izao no hankalazana ny fetin’ny mpifankatia na ny « Saint Valentin ». Kolontsaina vahiny nahazo vahana eto amintsika, na niniana nomena vahana mihitsy izy ity. Misy lafiny ratsy sy tsara hatrany ny zava-drehetra, ka izay tsy maharaka ny fomba any ivelany hono taraiky. Tsy te-ho gisitra isika, ka fanomanana io fetin’ny mpifankatia io no malaza amin’izao, izay hita taratra amin’ny lanonana maro isan-karazany etsy sy eroa. Tsara ny mifankatia noho ny mifankahala, kanefa ny (...)
  • Vonjeo fa potika ny tanàna

    lundi 11 février 2008 | Naivo kely |  685 visites
    Tsy hifaniliana na hifanome tsiny lava eto isika fa atombohy ny asa fa potika ny tanàna. Io no handrasan’ny vahoaka amin’ireo mpitantanana ny tanana eto Iarivo, raha mahita ny fahavoazan’ny làlana feno lavaka etsy sy eroa. Saika ahitana io lavaka io avokoa ny lalana rehetra eto andrenivohitra amin’izao, ka miteraka fimenomenomana eo amin’ny amin’ny mpampiasa ireny lalam-bahoaka sy fiara ireny. Fa nankaiza ny mpitondra hoy ny maro ? Tsy misy ny vola fa lanin’ny teo aloha hoy indray ny hafa. Tsy izay (...)
  • Aleo mangina

    samedi 9 février 2008 | Naivo kely |  558 visites
    Tsy taitra ny olona, ary ny kandida mpilatsaka aza toa tsy rototra. Fifidianana inona ity, ary inona no tena andraikitra ho raisina eo amin’ny fampandrosoana ? Ireo no heno ao ambavan’ny rehetra raha mandre ilay fifidianana izay ho atao amin’ny 16 martsa ho avy izao. Toa tsy latsa-paka ao an-tsain’ny be sy n’ny maro izy io, kanefa ny ny lalàmpanorenana no mametraka io ka tsy maintsy atao.Tsy rototra ny mpanohitra, ary manangam-bovona ny tsy mpandray anjara hoe mitongilana ny demokrasia eto (...)
  • Efa ela no karemy

    vendredi 8 février 2008 | Naivo kely |  768 visites
    Miditra amin’ny karemy ny mpino kristianina katôlika, ary ny silamo ihany koa dia efa manao izany fifadian-kanina izany, ho fanomezana hasina izay tompoany eo amin’ny sehatry ny finoana. Raha ity resaka karemy ity no jerena, dia fifadiana hena no atao, ary ny hafa moa dia ny tsy fihinanana hanina ny tontolo andro. Raha ny Malagasy manokana no jerena, dia efa ela no karemy, satria firy amin’ny Malagasy no mba afaka mihinan-kena isan’andro ? Na ranon-taolana aza tsy miditra ny vava, fa ny anana no (...)
  • Feno fitaka ny tany

    jeudi 7 février 2008 | Naivo kely |  790 visites
    Gina indray ny maro raha nahita fa tsy isan’ny ho kandida natolotry ny antoko TIM teto andrenivohitra ilay ranamana mpikarakara tanora sady mitantana radio iray eto andrenivohitra. Fa nisy inona tao, hoy ny mpitazana ? Tsy hidirana lalina ny amin’io satria fomba eo amin’ny tontolo politika ny tahaka izao. Porofo iray mitohoka amin’ny rehetra, fa tsy mora ho an’ny antoko matanjaka eto amintsika intsony ny mijery olona mahatoky atolotr’izy ireo. Porofo tsy azo lavina ny mahita ny fiovam-penitra (...)
  • Ripaka ny omby gasy

    mercredi 6 février 2008 | Hery A. |  626 visites
    Iharan-doza ny omby malagasy! Mirongatra manerana ny nosy ny halatra omby tato ho ato ka tsy ny olona mpanara-dia ihany no lasibatra fa vonoin’ny dahalo hatramin’ny omby. Ela koa ny ela fa nanjary nisy ny omby maty tafihan’ny biby (kongona sy dinta) teto amin’ny nosy, misy aza dia aretina hafahafa fa mankarary ny fofona avoakany. Eo amin’ny halatra omby aloha dia tsy voafehy intsony satria tonga any amin’ireo dahalo ny basy. « Kalachnikov » miisa 4 izao no nentin’ny dahalo nanafika ny kaominina (...)
  • Tokantrano tsy ahahaka

    mardi 5 février 2008 | Naivo kely |  695 visites
    Ao anatin’ny ady atao amin’ny parasy isika eto Madagasikara, raha ny tatitra heno, dia efa vita ny ady ankehitriny, fa ny fanentanana ny olona mba hadio sisa no mbola atao. Aretina faran’izay mahamenatra ity « parasy lafrika » ity, satria biby kely maharikoriko, nefa dia saika nahazo laka tany amin’ny faritry Toamasina I sy faha II iny. Fahavoretrana noho tsy fisian’ny fahadiovana, hoy ny maro no mahatonga izao, nefa tsy azo lavina fa eo ny fahantrana. Saika ireo olona sahirana avokoa no nalana (...)
  • Mbola voafitaka ny mpanao gazety

    lundi 4 février 2008 | Naivo kely |  912 visites
    Na dia efa nambara ombieny aza fa miandry ny lalàna avoakan’ny ministera ny mpanao gazety hanatanterahiny ny fifidianana izay ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety sy ireo birao miaraka aminy, dia mbola nisy ihany ny voafitaka ny sabotsy lasa teo. Nahitana mpanao gazety ampolony maro tokoa tonga teny amin’ny tranombokim-pirenena ny sabotsy teo, ary samy gaga ny rehetra nahita azy. « Fa misy inona ato no feno mpanao gazety ? » Teo ny rehetra vao samy nahalala fa saika hifidy ny filoha hitarika (...)
  • Sasatry ny miarina

    samedi 2 février 2008 | Hery A. |  838 visites
    Hatramin’izao aloha dia mbola ny zavatra efa nampoizina hiseho avokoa no miseho, dia ny tombatomban’ny mpanara-baovao mahakasika ny nirotsahan’ny TGV ho kandida ben’ny tanàna. Ny famisavisana ny fahalaniany no atao jery todika kely ka saika nitombina ny ankamaroany. « Sasatry ny miarina », izay no azo ilazana ny fandraisan’ny ben’ny tanàna vaovao ny toerana eto an-drenivohitra. Efa niaiky mihitsy ny lehilahy fa ho sarotra ny hanatanterahana ireo programan’asa raitra dia raitra nampanantenaina (...)
  • Mandroso mihemotra

    vendredi 1er février 2008 | Naivo kely |  711 visites
    Ny hanongotsongoana ny maty hono tahotry ny handevim-belona, ary ny hanairana ny sain'ny mpitondra henatry ny hanan-dratsy. Manomboka simba ny fototrafitr'asa eto andrenivohitra sy ny manodidinana izay heverina fa nandaniam-bola betsaka ny nentina nanaovana izany. Isan'io ny làlana izay miverina ny lavadavaka isan-karazany, izay hambara fa ny làlana no làlan-dra mampiodina ny toe-karena, ary hitarafana ny fandrosoan'ny faritra iray. Niesisesy ny orana tao ho ao, ka tsy mahagaga raha potika (...)

0 | ... | 180 | 200 | 220 | 240 | 260 | 280 | 300 | 320 | 340 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS