Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 12h08
 

Teny zato, kabary arivo

« Moa ka tsy izany va ? »

jeudi 14 février 2008 | Hery A.

Entin’ny antoko TIM ao Vakinankaratra ao ho eo anivon’ny fivoriana hatrany ny lahatsoratra an-gazety rehefa tsy mamalifaly azy ny lahatsoratra. Tao Antsirabe moa dia naharihary ampahibemaso ny gazety TRIBUNE . « Maninona ny sariko no tsy navoaka ? hoy ny olon’ny TIM. Torak’izany koa ny tao Antanifotsy. Nambaran’ny lahatsoratra tamin’izany moa fa « naloan’ny mponina ny antoko TIM » tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teo. « Mamely anay io », hoy ny feo nalefan’ny mpanao politika sasany. « Vaovao ratsy foana no avoaka aty amin’ny tanànanay ». Raha ho an’Antanifotsy manokana dia tsy hita loatra ny zavatra tsara ho tantaraina eto, raha fampandrosoana no resahana. Ny fandriampahalemana angaha ka tsy ho lavina. Malaza mahay miasa mantsy ny polisy sy ny zandary ao an-toerana. Minainaina ny Jirama fa avoaka amin’ny gazety hono ny fahadisoany. Izao anefa dia tsy mandeha ny paompin’ny Jirama . Manangom-bola Ar. 200 isan-tokantrano ny kaominina hividianana « robinet ». Andro maro no efa sahirana ara-drano ny mponina. Inona tokoa moa fa rehefa zohiana anie dia toa tsy hita akory hoe iza no TIM ao an-tanàna e ? Hita ihany izy ireny tamin’ny propagandy, saingy nahariharin’ny tsy fahafoizana ny Arema ka voateny hatramin’ny « moa ka tsy izany va ? » sy ny « ôe ! ôe ! » Niala tsiny mihitsy ny kandidan’ny TIM tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Azo antoka fa anisan’ny nampisy elanelam-bato betsaka ny fihetsika tsy nampoizina. Re aza fa saika hisy hamadika ny voka-pifidianana, saingy sarotra noho ny elanelan’isa be loatra. Raha fehezina dia nalahelo ny TIM fa tsy nahavita iraka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS