Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 15h07
 

Teny zato, kabary arivo

Tandremo tsy mahavaha olana

jeudi 20 mars 2008 | Naivo kely

Feno tanteraka ny fahefana eo ampelan-tanan’ny antoko matanjaka dia ny TIM izany. Rakotra azy avokoa ny ambaratongam-pahefana rehetra, eny fa na eny anivon’ny fokontany sy ny fiangonana aza.

Inona intsony ny sakana mbola tsy afahana miroso mametraka ny rafitra hampandeha ny MAP ? Miandry ny fifidianana izay ho loholona sisa dia feno ny fepetra rehetra, ary atomboy ny asa isaky ny faritra fa miandry ny vahoaka. Manjaka tokana ny TIM. Resy ny mpanohitra noho ny tsy fahitana azy ireo intsony any anaty andrim-panjakana rehetra any. Izay mba tavela toa nanara-drenirano. Ny aty ivelany tsy sahy miseho masoandro.

Tetikasa maro no napetraky ny TIM niainga tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny repoblika ny taona 2006. Nahitsy ny lalampanorenana fa tsy afahana miasa tsara ny teo ampelan-tanana, ary dia nambara fa lany tamin’isambato 41%. Naroso mialohan’ny fotoana ny fifidianana izay ho depiote voarombaka ny seza 106 amin’ny toerana 127. Notohizana tamin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanana ka kaominina 997 no tafiditry ny TIM. Ny ambiny dia saika ny tsy miankina no nahazo azy, raha takona tanteraka ny antoko politika.

Dia mbola mananika ny 50% indray ny sala-pahavitrihan’ny vahoaka ny alahady teo, ary mbola 140 ny seza amin’ny 147 no azon’ity antoko iray ity. Marina fa vokatra tsy mbola ofisialy io, saingy antenaina fa tsy hiena fa hitombo aza.

Midika io fa andeha ho azy ny fifidianana izay ho loholona ho an’ireo mpifidy vaventy, satria ny TIM no maro an’isa. Feno ny fahefana, ary tandremo sao tsy maha-vaha olana na ahilika any amin’ny vidin’ny solika miakatra indray ny mety ho tsy fahombiazana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS