Madagascar Tribune | Asehoy ny marina
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
jeudi 21 août 2008
 

 > Teny zato, kabary arivo

Asehoy ny marina

vendredi 28 mars 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Mandeha ny fisamborana manamboninahitra. Tsy vao izao fa efa ela, hoy ny mpandinika, ary maro no efa nahiditra am-ponja. Fikenokenonana hanongam-panjakana no fototry ny fisamborana.

Andraikitra lehibe ho an’ny firenena ny fitandroana ny filaminana, indrindra ny maha-iray tsy mivaky ny firenena. Ezaka lehibe heverina fa tsy azo hamaivanina ny fepetra henjana ho an’ireo minia te-handrava ny filaminana eto.

Mipoitra indray ity fanonganam-panjakana ity tao ho ao. Tsy ny mpanao politika mivantana no voakasik’io, fa ny eny anivon’ny tafika. Re fa mandeha ny fisamborana etsy sy eroa, ary efa mandeha ny fanadihadiana isan-karazany. Manana ny tsiambaratelony ny fanadihadiana, saingy mila ho fantatry ny rehetra ihany ny tena marina. Raha hitodiana kely ny mikasika ilay ambara ho fikasana hamono ny filoham-pirenena ny datin’ny Aprily 2007 lasa teo, dia nambara fa voasambotra ilay olona. Iza izy io, ary nanao ahoana ny tohin’ny raharaha ? Nahoana no tsy aseho vahoaka toy ny nahazo an’ilay lehilahy antsoina hoe Ivan teny Ambohibao izy io ? Asehoy ny marina mora hitandreman’ny tsirairay. Misy hifandraisany ihany koa ve ny fanehoan-kevitra politika mateti-pitranga tao ho ao sy ity fisamborana manamboninahitra ity ? Miandry ny fanadihadiana ny rehetra, ary ho hita eo ny marina.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mars 2008   
    L Ma Me J V S D
              1 2
    3 4 5 6 7 8 9
    10 11 12 13 14 15 16
    17 18 19 20 21 22 23
    24 25 26 27 28 29 30
    31            
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP