Madagascar Tribune | Miala teteza-mita, dia Repoblika faha-4
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
vendredi 9 mai 2008
 

 > Teny zato, kabary arivo

Miala teteza-mita, dia Repoblika faha-4

jeudi 27 mars 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Faniriana ny an’ny mpanohitra fa ny lahatra an’ny mpitondra fanjakana. Tsy mitsahatra indray ny fangatahana ny rafitra teteza-mita ataon’ny mpanohitra tao ho ao. Isan’ny mangataka io ny Profesora Zafy Albert sy ny namany.

Handamina ny faritra anatin’ny firenena no tanjona, saingy tsy hangataka toerana velively izahay mpanohitra fa mila rafitra miova. Ny mpanohitra manontolo no mitaky io, ary mbola fitakiana ihany koa ny momba ny fampihavanam-pirenena. Re anefa tao anatin’ny andro vitsy izay, fa ny firosoana any amin’ny rafitra tetezamita, dia hiampitàna any amin’ny Repoblika faha-efatra. Mbola tsilian-tsofina navoakan’ny rindrina manan’elatra ihany no nahafantarana, fa tsy mahomby ny Repoblika faha-3 voalohany sy ny tapany faha-2 ka ilaina ny handevenana izany. Raha izao rafitra misy ankehitriny izao dia mbola teteza-mita, saingy izy irery no mandrafitra izany, ka aleo miroso amin’ny Repoblika manaraka. Hatreto aloha dia mora ampitenenana fa sarotra tanterahana ny fanirian’ny sasany. Hatraiza ny hery entina mitaky itony fitakiana itony ? « Ny tanety lava misy hisainana », hoy ny fomba fiteny izay.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mars 2008   
    L Ma Me J V S D
              1 2
    3 4 5 6 7 8 9
    10 11 12 13 14 15 16
    17 18 19 20 21 22 23
    24 25 26 27 28 29 30
    31            
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP