Marcel Ranjeva
« Tsy ny ben’ny tanàna no mampiakatra ny karaman’ny mpiasa »
mardi 4 décembre 2007 |
| 837 visites
« Betsaka ny diso hevitra amin’ny andraikitry ny ben’ny tanàna, ary misy rahateo no mampanantena kintana sy volana mba hahalany ny tenany ». Nanararaotra ny fotoana nolalovany tao amin’ny Savaravina RNM,ny alahady teo, ny « coach » Analamanga, ny jeneraly Ranjeva Marcel, hanazavany fa « Anjarany kosa anefa ny manome tontolo hahafahan’ny vahoaka mivelatra sy misitraka ny fandrosoana. Andraikiny ny mitady vahaolana mba hampandry fahalemana ny tanàna entiny, ny mandrindra ny tsena ahafahan’ny vokatra (...)