Articles écrits par « Hery A. »
-
Behoririka
mardi 5 août 2008 |
Hery A.
| 1218 visites
Nanatanteraka ny grevy efa narangarangany ny mpivarotra miankin-drindrina etsy Behoririka, omaly vao maraina. Nitandahatra ny "banderole" sy ireo mpivarotra ka naneho ny heviny ampahibemaso teo. "Very asa sy tsy mihinan-kanina izahay", hoy ireo sora-baventy. Araka ny nambaran'ireo mpivarotra mpigrevy ary fa "efa iray volana izay ry zareo no tsy navela nivarotra amin'iny sisin-dalana Behoririka iny." Mpivarotra miisa 1500 eo ho eo ry zareo no nifanandrina tamin'ireo lehilahy am-polony (…)
-
Fpma-Paris sy ny FFPM
samedi 2 août 2008 |
Hery A.
| 1088 visites
Notanterahina tamin’ny alakamisy 31 jolay 2008 teny Vohipiraisana Ambohijatovo biraon’ny FFPM (Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy) ny fanolorana ny fanampiana ao anatin’ny « ezaka Madagasikara » izay fanaon’ny Fiangonana Protestanta Malagasy any Andafy tafo Paris (FPMA-Paris) isan-taona, mba ho fanohanana ny asa misiona sy ny fitoriana ny Filazantsara,ka ordinateur, imprimante,camera numérique sy ny kojakoja samihafa ilaina ho fampandehanana ny Radio Protestanta eto Madagasikara (…)
-
Rafim-pampianarana vaovao
vendredi 1er août 2008 |
Hery A.
| 922 visites
Na dia mbola sondriana ao anatin'ny fialan-tsasatra aza ny mpianatra amin'izao fahavitan'ny fanadinana bakalorea izao, dia efa miketriketrika kosa ny atidohan'ny ray aman-dreny amin'ny fanomanana ny fidiran'ny zanany an-tsekoly tsy ho ela. Efa fotoana tsy fanaovana fandaniam-poana intsony izao fa aompana tanteraka any amin'ny fanomanana fianarana ny vola sy harena ary ny eritreritra manontolo. Betsaka kosa ireo ray aman-dreny maniry ny hampiana-janaka amin'ny EPP saingy efa feno avokoa ny (…)
-
Fasan’ny Karana
vendredi 11 juillet 2008 |
Hery A.
| 773 visites
Manoloana ny tohin'ny fanamboarana ny fiantsonan'ny fiara amin'ny zotra rezionaly etsy amin'ny "Fasan'ny Karana" dia miatraika any amin'ireo mpanera sy mpitandro filaminana eny an-toerana ny fandroahana. Nanomboka tamin'ny alatsinainy no fantatra fa hofefena ity fiantsonan'ny fiara fitaterana ity, ka taorian'ny fivorian'ireo tompon'andraikitra dia tapaka fa olona 4 isaky ny koperativa ihany no mahazo miserasera amin'ity toby ity. Tsy misy afa-tsy ny sekretera anefa ireo olona 4 ireo ka (…)
-
BOA Toamasina
mercredi 9 juillet 2008 |
Hery A.
| 935 visites
Tsy trano vaky na varavarana nipitsoka, nefa dia very ny vola tao amin'ny banky BOA eo amin'ny "Avenue" ao Toamasina. Araka ny vaovao azo dia tamin'ny zoma alina no nanjavonan'ny vola mitentina Ar. 250 tapitrisa tao anatin'ny fitehirizam-bolan'ity banky BOA ity. Niantefa any amin'ny mpiambina avy hatrany ny ahiahy satria taorian'io fahaverezam-bola io dia tsy hita ny nanjavonan'ilay mpiambina. Ahiana arak'izany ity mpiambina ity izay tsy fantatra moa na nangalatra ny vola marina na tsia. (…)
-
BEPC
mercredi 9 juillet 2008 |
Hery A.
| 843 visites
Mpiadina amin'ny fanadinana BEPC iray no any am-ponja, andro vitsy alohan'ny fanadinana izay nanomboka tamin'ny alatsinainy teo tao amin'ny distrikan'ny Tolagnaro. 18 taona ity tovolahy ity izay saron'ny mpitandro filaminana nifoka rongony, ary mbola tanana any hatramin'izao ka tsy afaka miatrika ny fanadinana. Mpiadina miisa 12 hafa kosa no tsy tonga noho ny antony tsy fantatra. Fantatra moa fa miisa 6 ny foibem-panadinana ao Tolagnaro, misy mpiadina miisa 1172. Etsy andaniny dia nisy akony (…)
-
Sehatry ny Fitsarana
samedi 5 juillet 2008 |
Hery A.
| 673 visites
Tsy izay miditra am-ponja akory dia meloka avokoa. Tsy hasakana ny fomba fijerin'ny maro ety ivelan'ny fonja anefa ny fahitana ireny olona ireny, izay nalefa vonjy maika maka saina any. Arakaraky ny raharaha hiampangana ny olona anefa no maha ela na maha haingana ny fitsarana ny raharaha iray. Mazàna anefa, na dia efa nihiboka am-ponja nandritra ny volana maro ilay olona, dia afaka madiodio rehefa mivoaka ny didim-pitsarana.
Io no mampitaraina ny maro, satria ny haja amam-boninahiny no (…)
-
Eto an-drenivohitra
jeudi 3 juillet 2008 |
Hery A.
| 836 visites
Hatramin'izao dia mbola tsy miverina amin'ny laoniny ny tsenan'ny henan'omby, indrindra aty ampovoan-tany. Manaporofo izany ny fidinan'ny vidin-kena eny ambony akalana eny ka raha tokony ho Ar 5600 any ho any ny vidin'ny hena 1 kg, dia efa misy mampidina hatrany amin'ny Ar 4000 izany. Raha tazanina anefa, dia toa hena tsara ny ankamaroany ary misy fitomboka sy voaara-maso tokoa. Araka ny nambaran'ny mpivaron-kena iray dia ny mpihinana mihitsy no matahotra, na efa tsy zatra intsony angaha. Ny (…)
-
Halatra ranon’ny Jirama
mercredi 2 juillet 2008 |
Hery A.
| 598 visites
Niakatra fitsarana omaly talata indray ireo olona voarohirohy tamin'ny halatra ranon'ny JIRAMA tao Antsiranana. Olona miisa 9 no voarohirohy ka ny iray moa dia notanana am-ponja vonjimaika. Olona 4 amin'ireo kosa no mpiasan'ny JIRAMA, niray tsikombakomba, sy fototry ny famoahana an-tsokosoko ny fitaovan'ny orinasa Jirama. Raha tsiahivina ny raharaha dia ny namilian'ireo mpangalatra ny rano mamatsy ny renivohitra. Eny Joffre ville, misy ny milina fanadiovan-dranon'ny Jirama no niainga ny (…)
-
Alaotra Mangoro
mercredi 2 juillet 2008 |
Hery A.
| 825 visites
Niverina indray ny vaky fasana any amin'ny faritra Alaotra Mangoro, raha somary nangingina izany tato ho ato. Tamin'ny alin'ny faha 23 jona hifoha 24 jona teo dia fasana miisa 6 be izao no vaky. Toerana eo amin'ny 10 km, atsimon'Ambatondrazaka eo no nisehoan'ity vaky fasana ity. Very ny taolam-balon'ny razana tamin'ireo fasana ireo ary tsy hita popoka hatramin'izao.
Mbola mipetraka ho mistery hatrany ny tantaran'ity taolam-paty sy vaky fasana ity na dia efa an-taona maro aza no nisehoany. (…)
-
Anosibe
mardi 1er juillet 2008 |
Hery A.
| 754 visites
Lanaky ny asa nandritra sy taorian'ny fety ny mpanadio ny tanànan'Antananarivo ka araraotin'ny sasany ny tsy fanarahan-dalàna sy fampihinanana maloto ny vahoaka. Mirongatra indray ny fivarotana trondro maloto amin'izao fotoana izao. Ny eny amoron-dalana aloha no tena ahitàna azy, toy ny etsy Anosibe, manamorona ny lalam-baovao ho any Namontana sy Soanierana iny. Taorian'ny fety dia nidofaka ny fofo-trondro maloto, nirongatra ny lalimanga. Samy manaporofo ny maha trondro maloto azy ny (…)
-
Atsimondrano
lundi 30 juin 2008 |
Hery A.
| 576 visites
Hatramin'izao dia mbola mampijaly ny mponina eny amin'ny faritra atsimondrano eny ireo taxi-be. Fitarainan'ny mpandeha no nisesisesy tato ho ato satria efa tsy rariny intsony hoy izy ireo. Amin'ny elanelan'andro aloha dia ny fifanenjehana no mafotaka, hany ka mitaintaina tsy ankiato ny mpandeha, ny fiara rahateo efa tena ratsy ka atahorana. Ny zotra 137 sy ny 172 no tena ilain'ny mponina eny ary ny fahafantaran'izy ireo izay filàna azy izay no anaovany tsinontsinona ny mpandeha. Ao ny tsy (…)
-
Fanefitry ny SIDA
samedi 28 juin 2008 |
Hery A.
| 1960 visites
Mety hampidi-bola amina lavitrisa maro ho an’i Madagasikara ilay fanefitry ny Sida hitan’ireo mpikaroka notarihan’ny Profesora Andriamanalina Nirina. Mety hitondra fampandrosoana sy fanovàna lehibe ny fiainan’ny firenentsika izany. Misy ny porofo hahafahan’ireo mpikaroka manamarina izany.
Manoloana ny resa-be mandeha etsy sy eroa mikasika ilay fahitana ny fanafan’ny SIDA, dia nanambara ry zareo mpikaroka fa tsy fanafody « médicament » no vitan’izy ireo fa fanefitra « remède » (…)
-
Antoko « Tambatra »
samedi 28 juin 2008 |
Hery A.
| 467 visites
Rava ny fivoriambe nokasain'ny antoko «Tambatra» hatao tao Fianarantsoa, talohan'ny Fetim-pirenena teo iny. Araka ny nambaran'ny mpitarika ny antoko, Beza Seramila, dia efa vonona ny mpikambana rehetra, ary efa tonga tany an-toerana avokoa ny mpikambana avy amin'ireo faritra 22. Talohan'ny fikarakarana dia efa nangataka alàlana tamin'ny fitondram-panjakana ny antoko ary nekena am-bava tamin'izany fotoana izany. Taorian'ny fangatahana an-taratasy nataon'ny fikambanana anefa dia tsy nomena (…)
-
Karatra mena
lundi 23 juin 2008 |
Hery A.
| 643 visites
«Aok'aloha» io izao no malaza manerana ny nosy noho ny hetsik'ireo karazana fikambanana miaro ny zazavavy tsy ho lavon'ny firaisana ara-nofo alohan'ny fanambadiana. Toa manome fanantenana ireo manam-paniriana hanao firaisana ara-nofo ihany anefa ny fampiandrasana, hany ka na ireo zazavavy omena ny karatra mena aza dia tsy resy lahatra loatra. Raha tsy nieritreritra firaisana ny tenan'ny zazavavy iray, fa vonona handà tsotra izao raha misy mangataka aminy, dia toa lasa azon'ny fakampanahy ka (…)
-
Fivoriambe Afrikana
jeudi 19 juin 2008 |
Hery A.
| 462 visites
Tamin’ny faha 17 jona no napetraka ny vato fehizoro ho fananganana ireo trano handraisana ireo Filoham-panjakana sy vahiny, hiatrika ilay fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina amin’ny 2009 ho avy izao. «Tsy hisalasala aho hilaza fa roso ny diantsika amin’ny fandraisana izany fihaonana manan-tantara izany», hoy ny praiminisitra Rabemananjara Charles
Afaka mirehareha ny Malagasy satria manamafy hatrany ny fanohanany an’i Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka, na ara-bola izany, na (…)
-
Anosibe Mandrangobato II
mardi 17 juin 2008 |
Hery A.
| 1039 visites
Samy manao izay saim-pantany ireo olona manana zava-maneno ka entina manakotaba fiaraha-monina na dia fantatra izao aza fa misy lalàna mandrara izany. Nandritra ny herinandro teo izay no namoahan’ity mpivarotra fanaka iray ny zava-manenony eo amoron’ny arabe. Mitatatata tsy ifandrenesana izany mandritra ny tontolo andro, na elanelan’andro na alahady.
Maro no manao ity fihetsika manafintohina ny mpiara-monina ity saingy ity eo amin’ny fokontany Mandrangobato II etsy Anosibe ity dia fanahy (…)
-
Fanadinana CEPE 2008
samedi 14 juin 2008 |
Hery A.
| 599 visites
Hafatra avy amin’ny filoham-pirenena malagasy no nampitain’ny praiminisitra Rabemananjara Charles, dia ny firarian-tsoa ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE hotanterahana amin’ny faha 16 jona izao. Ny EPP Anosibe no nofidian’ny governemanta nampitàna izany firariantsoa izany, omaly zoma maraina, ka tonga teny an-toerana ny tenany nanambara izany.
Miisa 400 mianadahy ireo mpianatry ny EPP Anosibe hiatrika ny fanadinana CEPE. Notoloran’ny fitondram-panjakana (…)
-
Port-Bergé
vendredi 13 juin 2008 |
Hery A.
| 820 visites
Lehilahy miisa 3 mpanao vola sandoka no saron’ny mpitandro filaminana tao amin’ny hotely iray ao Port-Bergé, tamin’ny alarobia lasa teo. Sarona tamin’izy 3 lahy ny fitaovana fanaovany ny vola sandoka, toy ny loko mena sy manga, alikaola ary fitaovana madinidinika samihafa. Vola sandoka ar 10.000, mitotaly ar 3.138.000 no mbola tavela tamin’izy 3 lahy. Nanamafy ny maha jiolahy raindahiny azy ireto koa ny nahasaronana basy « PA » miisa 4 be izao, miaraka amin’ny bala mahafaty miisa 4. (…)
-
Soanierana Ivongo - Sainte Marie
jeudi 12 juin 2008 |
Hery A.
| 710 visites
Nihitsoka ny fitaterana mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy ny nosy Sainte Marie, omaly maraina ka saika niteraka savorovoro tany Sainte Marie mihitsy. Tsy nisy niasa ny lakana haingam-pandeha noho ny filazana ofisialy navoakan’ny kaominina Soanierana Ivongo. Voalaza tamin’io fanambarana io fa tsy mahazo mampiasa ny fitaterana olona ireo lakana haingam-pandeha. Ny fivezivezen’ireo lakana haingam-pandeha amin’ny faritra iadidian’ny kaominina Soanierana Ivongo no voakasiky ny fanambarana, ka (…)