::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 18h23  :  19°C  :  Averses
mardi 14 février 2012
 

 > Malagasy

Sehatry ny Fitsarana

Asio fiheverana ity famonjana olona ity

samedi 5 juillet 2008, par Hery A.

Tsy izay miditra am-ponja akory dia meloka avokoa. Tsy hasakana ny fomba fijerin’ny maro ety ivelan’ny fonja anefa ny fahitana ireny olona ireny, izay nalefa vonjy maika maka saina any. Arakaraky ny raharaha hiampangana ny olona anefa no maha ela na maha haingana ny fitsarana ny raharaha iray. Mazàna anefa, na dia efa nihiboka am-ponja nandritra ny volana maro ilay olona, dia afaka madiodio rehefa mivoaka ny didim-pitsarana.

Io no mampitaraina ny maro, satria ny haja amam-boninahiny no voakitika manoloana izany. Niarahana nahita ny zava-nisy tany Fianarantsoa farany teo. Nohafahan’ny fitsarana avokoa ireo olona voalaza fa manohitohina ny filaminam-bahoaka anatiny. Andro maro no nanagadrana azy ireo, nefa iny niarahana nahita iny ny didy ny alakamisy teo.

Isan’ny ezaka ataon’izao fitondrana izao ny fanafainganana ny raharaha eo am-pela-tanan’ny Fitsarana. Mbola misy ihany koa anefa ireo voafonja aman-taona maro, nefa mbola tsy nandalo fitsarana. Tsaroan’ny maro fony ny fitondrana teo aloha, izay olona nagalatra akoho iray, nefa efa-taona mbola tsy voatsara. Ny hafa nangalatra vola miliara anefa fotoana fohy dia mivoaka ny didy. Ireny rehetra ireny no ezahin’ny tompon’andraikitra ny fitsarana ho diovina. Ny lehiben’ny Fampanoavana ambony raha vao nandray ny toerany ny alakamisy teo, dia nilaza, fa ho jerena manokana ity fampidirana am-ponja olona lava ity. Ny fanafodin’io aloha hatreto, dia ny fanaovana ny marina ihany, saingy rehefa tratry ny aza manody moa atao ahoana ?

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

juin 2008   juillet 2008   août 2008
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 313  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360