::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 23h13  :  21°C  :  Nuageux
lundi 13 février 2012
 

 > Malagasy

Anosibe

Manamaimbo tanàna ny trondro maloto

mardi 1er juillet 2008, par Hery A.

Lanaky ny asa nandritra sy taorian’ny fety ny mpanadio ny tanànan’Antananarivo ka araraotin’ny sasany ny tsy fanarahan-dalàna sy fampihinanana maloto ny vahoaka. Mirongatra indray ny fivarotana trondro maloto amin’izao fotoana izao. Ny eny amoron-dalana aloha no tena ahitàna azy, toy ny etsy Anosibe, manamorona ny lalam-baovao ho any Namontana sy Soanierana iny. Taorian’ny fety dia nidofaka ny fofo-trondro maloto, nirongatra ny lalimanga. Samy manaporofo ny maha trondro maloto azy ny fahaveloman’ny trondro. Tsy menatra akory ireo mpivarotra milaza fa trondro avy any Itasy. Trondro vao tonga eo amin’ny maraina anefa dia efa mamofona na velona aza. Tsy ela moa ireo trondro dia maty ary vao mainka tsy laitra iainana ny fofona. Ny mahagaga dia misy mividy ny trondro. Mora tokoa ny vidiny satria Ar. 3000 ny 1 kg na latsak’izany, mbola miady varotra. Arak’izany dia tsy isalasalàna ny maha trondron’Anosy sy Masay azy. Manamarina izany tokoa ny fisian’ireo mpaka trondro eny amin’ny ranon’i Masay. Tsy matahotra izy ireo satria toa hoe nomena alalana. Siosion-dresaka no milaza fa atao sakafon’ny voay hono ny trondro eo. Mety ho marina izany, kanefa tsy ferana ny ivoahan’ny trondro, na hanararaotan’ny mpaka trondro hafa. Tsy maharaka izany angamba ny tompon’andraikitra, na mahalala ihany fa mbola lanaky ny asa araka ny voalaza etsy ambony.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

juin 2008   juillet 2008   août 2008
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 266  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360