::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 20h55  :  14°C  :  Clair de lune et nuages épars
jeudi 2 septembre 2010
 

 > Malagasy

Eto an-drenivohitra

Betsaka no mifady henan’omby

jeudi 3 juillet 2008, par Hery A.

Hatramin’izao dia mbola tsy miverina amin’ny laoniny ny tsenan’ny henan’omby, indrindra aty ampovoan-tany. Manaporofo izany ny fidinan’ny vidin-kena eny ambony akalana eny ka raha tokony ho Ar 5600 any ho any ny vidin’ny hena 1 kg, dia efa misy mampidina hatrany amin’ny Ar 4000 izany. Raha tazanina anefa, dia toa hena tsara ny ankamaroany ary misy fitomboka sy voaara-maso tokoa. Araka ny nambaran’ny mpivaron-kena iray dia ny mpihinana mihitsy no matahotra, na efa tsy zatra intsony angaha. Ny mpivarotra hani-masaka no tena mamelona ireo mpivaron-kena, hoy ihany ity mpivarotra, kanefa nihena ihany koa ny lanjan’ny entana alain’izy ireny.

Maty antoka ny mpivarotra

Ny olona tsy mihinana kisoa koa no nandrasana, saingy vitsy dia vitsy sisa izy ireny no mba mividy hena omby. Ny taovan-kena moa dia tsy misy mpanontany ka saika zaraim-potsiny. Vokany dia miditra fatiantoka ny mpivarotra. Raha nahalafo ilan’omby isan’andro ny mpivarotra iray taloha, dia zara raha mahalafo 10 kg amin’izao fotoana izao.

Mpanjifa iray kosa no nanambara fa « naha koditra » ny tantaran’ny henan’omby teo alohaloha teo. Mbola tahotra no mibahana, hoy ity mpanjifa, ka raha azo atao aloha dia aleo ajanona mihitsy. Maro ny olona manana izay hevitra izay, ary misy aza dia tena hifady henan’omby hatramin’ny farany.

Tsiahivina moa fa namoizana ain’olona maro ny aretin’omby, volana vitsy lasa izay. Tao Carion Manjakandriana dia fianakaviana manontolo no namoy ny ainy, tany Ankazobe, Moramanga sns...

Tsy azo lavina ihany koa fa efa voafehy ny aretina rehefa nifarimbonan’ireo dokoteram-biby eto Madagasikara, saingy mbola tsy nisy fanomezan-toky angaha ka izay no mahatonga ny olona hisalasala hihinana ity hena ity ?

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

juin 2008   juillet 2008   août 2008
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 254  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360