::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 13h21  :  28°C  :  Très nuageux
mercredi 10 mars 2010
 

 > Malagasy

Alaotra Mangoro

Fasana 6 no indray vaky

mercredi 2 juillet 2008, par Hery A.
JPEG - 37.2 ko

Mbola mipetraka misitery hatrany ny tantaran’ity taolam-paty sy vaky fasana ity.

Niverina indray ny vaky fasana any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, raha somary nangingina izany tato ho ato. Tamin’ny alin’ny faha 23 jona hifoha 24 jona teo dia fasana miisa 6 be izao no vaky. Toerana eo amin’ny 10 km, atsimon’Ambatondrazaka eo no nisehoan’ity vaky fasana ity. Very ny taolam-balon’ny razana tamin’ireo fasana ireo ary tsy hita popoka hatramin’izao.

Mbola mipetraka ho mistery hatrany ny tantaran’ity taolam-paty sy vaky fasana ity na dia efa an-taona maro aza no nisehoany. Tany Ambatondrazaka no niatombohan’ny vaky fasana ary nanenika ny nosy mihitsy. Niverina matetika tao amin’ny faritra Alaotra izy ity saingy somary nahalana. Maromaro ihany ny olona efa notanana am-ponja amin’ity raharaha ity nefa toa tsy ahitam-bokany. Tsy hita ho vinavinaina moa ny ilàna ny taolam-paty, nefa dia inoana fa lafo vidy sy tena ilaina matoa misy hatrany ny vaky fasana. Miondrana any ivelany ve izy ireny sa eto an-toerana ihany no ilàna azy ? Iza no atidoha mikotrika azy ?

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail envoyer par mail   

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

juin 2008   juillet 2008   août 2008
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 477  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360