::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 20h58  :  14°C  :  Clair de lune et nuages épars
jeudi 2 septembre 2010
 

 > Malagasy

Halatra ranon’ny Jirama

Olona 9 niakatra fitsarana

mercredi 2 juillet 2008, par Hery A.

Niakatra fitsarana omaly talata indray ireo olona voarohirohy tamin’ny halatra ranon’ny JIRAMA tao Antsiranana. Olona miisa 9 no voarohirohy ka ny iray moa dia notanana am-ponja vonjimaika. Olona 4 amin’ireo kosa no mpiasan’ny JIRAMA, niray tsikombakomba, sy fototry ny famoahana an-tsokosoko ny fitaovan’ny orinasa Jirama. Raha tsiahivina ny raharaha dia ny namilian’ireo mpangalatra ny rano mamatsy ny renivohitra. Eny Joffre ville, misy ny milina fanadiovan-dranon’ny Jirama no niainga ny halatra. Olona iray no nanana trano miisa 3 ka nampiditra ny rano an-tsokosoko tamin’ireo trano ireo. Tsy nanana taratasy mazava izy ireo fa taratasy hosoka avokoa no nampiasaina sy nanaovana faktiora. Efa nanao ity asa ratsy ity ireto mpiray tsikombakomba ireto ka sarona, saingy vitan’ny raharaham-pihavanana. Mbola nanohy ny asa ratsy ihany anefa izy ireo ka izao notorian’ny Jirama eny amin’ny fitsarana izao. Hivoaka tsy ho ela moa ny didim-pitsarana mahakasika ity raharaha ity.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

juin 2008   juillet 2008   août 2008
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 264  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360