Fandaharana nofohanana
Naneho ny alahelony ny katolika
mercredi 23 janvier 2008 |
| 1174 visites
Omaly no nanambaran’ny arsevekan’Antananarivo Odon Marie Razanakolonona, ny alahelony momba ny fanafoanana ny fandaharana « karajia » tao amin’ny RDB. Nolazainy tamin’izany fa radio isan’ny mpanabe ny RDB ary isan’io ity fandaharana karajia ity. Ireo olona miditra mivantana ao dia isan’ireo beazina, ary tokony hisy ny fampitandremana mialohan’ny fotoana vao nofoanana izy io. Toa antsojay atao amin’ny katolika ny toy izao, satria efa nisy ihany koa ny tsy fanomezan’ny TVM azy ireo raha nanao lamesa (...)